RAHONA MIARAKA AMIN’NY ANDRO RATSY

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana any amin’ny Faritra


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana eto amintsika manomboka rahampitso Talata raha araka ny fanazavan’ny

sampana mpamantatra ny toetr’andro. Ny Faritra Avaratra Atsinanan’ny Nosy no tena voakasik’izany izay mety hahatratra 40 ka hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora monja. Noho ny fisian’ny rahona miaraka amin’ilay faritra andro ratsy any Avaratr’i Madagasikara moa no anton’izany. Hitohy ny andron’ny Alarobia, Alakamisy ary ny Zoma izany any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ka mety hahatratra 50 hatramin’ny 150mm mihitsy ny refiny ao anatin’ny 24 ora. Miantso ny rehetra mba samy hitandrina araka izany ny any amin’ireo faritra voalaza ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Lohalaharana amin’ireny ireo mipetraka amin’ny faritra iva sy manamorona ny ranomasina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ho betsaka ny ranon’orana amin’ity herinandro ity any amin’ny faritra !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT