Actualités

Raharison Tiavina Mickaellah Maniry ny ho lasa mpihira malaza


  • Talata 28 Febroary 2023

Zazavavy kely vao 12 taona monja Raharison Tiavina Mickaellah.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia anisan’ireo mendrika indrindra tamin’ny fifaninanan-kira La voix d’or nokarakarain’ny vata fahitalavitra tsy miankina iray teto amintsika izy. Anisan’ny nambabo ny fon’ny maro tamin’ireo hira nohirainy ny hiran’ny tarika Mahaleo toy ny Jamba, Isekely….nandritra ny fifaninana nataony. Ny feon’i Denise kosa no tena hankafiziny sy tiany ary mbola tsiriritiny mandraka androany. Tafaverina soamantsara an-tanindrazana ny tovovavy kely rehefa avy niala sasatra kely nandritra ny herinandro tany am-pitan-dranomasina tany ho valin’ny ezaka nataony. Mbola niampy subwoofer sy finday ary micro d’or izany fanomezana izany. Nomarihin’ity tovovavy kely ity moa fa anisan’ny nanampy azy tamin’izao fahombiazany izao ny vavaka nataony isan’andro teo anatrehan’Andriamanitra. Faniriany araka izany ny ho lasa mpihira malaza raha asa anisan’ny tiany ihany koa ny ho lasa mpampianatra matihanina.
Pati
Legende : Mbola zaza saingy efa tena matotra i Tiavina kely
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT