Raharaha tany 26ha sy 13ha eny Ampitatafika

Aleo mipetraka fa olon-kendry, hoy ny ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

tany mirefy 26ha sy 13ha voalaza fa amidy ao Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanàna ao Ampitatafika, Rado Ramparaoelina? Namaly aho, hoy izy, hoe tsy misy tany ngezabe amidy izany intsony ao Ampitatafika. Gaga be aho nampisehoana ilay taratasin-tany na «situation juridique» an’ilay tany. Izaho no nampivory ireo tantsaha ireo ary tsy nangataka andro hilaza io vaovao io. Rehefa tena jerena ny fototr’ilay izy dia nisy nivarotra tao amin’ilay fikambanana Vovonana. Ny tenako indray no lasa saro-piaro. Amin’ny maha ben’ny tanàna ahy, tsy manana aho na iray dia amin’io tany io aza. Ny nahagaga ahy dia hoe maninona no tsy mba nandalo fampahafantarana na «affichage» tao amin’ny kaominina ny fahazoana io tany io? Avy eo moa aleo mipetraka fa olon-kendry satria rehefa jerena tamin’izany andro izany dia misy anaran’ilay mpikambana anaty vovonana maromaro no mivarotra ny anjarany. Tsy noterena, tsy novozonana fa noho ny fahasahiranana dia nivarotra izy. Hoy aho hoe raha izay foana no atao fitenenana hoe ny kaominina no mibahana dia fanarian-dia fotsiny izany amiko. Nampivory ny ben’ny tanàna ary ny kaominina no nidina teny Malaza fa tsy ny vahoakan’i Malaza no nasaiko niakatra teny amin’ny kaominina. Ny dikan’izay dia manasa tanana aho fa efa nanao izay tokony ataoko. Tany tan-dalàna isika. Tsy sehatry ny kaominina intsony angamba no tokony hitondrana io raharaha io. Nitsikera izahay tamin’izany hoe ahoana itony tanim-panjakana tsy mandalo kaominina itony? Nolazaina fa efa miova ny dingana na «procédure». Niova haingana be izany ilay izy. Tsy fantatra ny fahamarinany sy fahadisoany dia tsy arako. Ny ampahany maro amin’ilay tantsaha nivarotra. Ampahany vitsy sisa tsy nivarotra. Ny 2/3-n’ireo tantsaha ireo tapitra nivarotra ary nandray vola. Raha ny fahalalako azy amin’izao fotoana izao dia efa niova tompo in-4 amina tany misy titra sy baorina io tany io. Ireo tsy nivarotra ohatran’ny nakisak’ilay olona tao anatin’ilay fividianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT