Actualités

Raharaha Soa Radio Hiverina eny anivon’ny fitsarana indray anio


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Raha nisy nikendry sy nilofo mafy mba hahamaty momoka ity raharaha Soa Radio ity dia izao izy hiverina indray eny anivon’ny Fitsarana izao anio ka handalo fampanoavana.

 

 Raha tsiahivina, efa tany amin’ny tapaky ny volana martsa no velon-taraina ny tompon’ny fitaovana rehetra mampihodina ity onjam-peo ity fa nobakoavin’ny Minisitra teo aloha Andrianjato Vonison avokoa izany fitaovana izany ka nafindrany toerany nankeny amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano raha teto Antananarivo Renivohitra. Tsy vitan’izay fa nilaza ho tompon’ny onjam-peo ihany koa izy kanefa raha nampilaharina ny taratasin’ny roa tonta, mbola ilay “volet 1” ihany ny azy raha manana “volet 2” kosa ny andaniny. Io fiampangana roa tonta io no vesatra anenjehana ity Ministra teo aloha ity kanefa saika voasarontsarona tany ity raharaha ity raha tsy nametraka fitoriana fanindroany teny anivon’ny Zandarimaria teny Ankadilalana indray ny mpitory telo volana taty aorian’ny fametrahana fitoriana voalohany. Efa nandalo fampanoavana indray mandeha ity raharaha ity ka izao handalo fanadihadiana lalaina izao indray. Manana porofo amin’ireo fitaovana mitentina 36 tapitrisa ariary novidiny sy nampihodinany io onjam-peo io ny mpitory fa ity “licence” amin’ny anaran’olona roa samy hafa ity no tena mahavalalanina ny maro satria Ministera iray ihany no namoaka azy. Matoky ny fitsarana tanteraka moa ireto mpitory an` ity minisitra teo aloha amin’izao raharaha izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT