Raharaha Romy Voos

Amin’ny 10 mey mifankahita!


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika malagasy teo aloha, sy ilay teratany frantsay, Philippe Tabuteau, noho ny resaka fikasana hanao kolikoly tamin’ny orinasam-pitrandrahana anglisy, Gemfield, raha tsiahivina. Ny volana aogositra 2023 moa izy ireo no voasambotra tao Londre, Angletera, rehefa tratry ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Efa samy niaiky ny helony izy ireo ka dia andrasana amin’io 10 may 2024 io, araka izany, ny sazy ho ampiharin’ny fanjakana britanika amin’izy ireo. Lelavola mitentina 261.000 Euros, izany hoe, manodidina ny 1.305.000.000 Ariary na 6.525.000.000 Iraimbilanja no voalaza fa nokasain’izy ireo ho alaina tamin’ity orinasa vahiny ity mba ho 5% fandraisana amin’ny fanomezana alalana ity orinasa ity hitrandraka eto Madagasikara. Tombanana ho famonjana 10 taona any ho any moa izay sazin’izy ireo izay ka dia andrasana, araka izany, ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity. Andrasana ihany koa anefa etsy ankilan’izay ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha mandra-pahatongan’io daty io. Mety mbola hisy anaran’olon-kafa ho voatonona ho niray tsikombakomba hafa tamin’ireto olon’ny fitondrana malagasy ankehitriny voatazona any an-toerana any ireto ve? Miandry ny tohiny!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT