Actualités

Raharaha Riana Andriamandavy VII Tsy havelan’ny SMM ho vitavita ho azy


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Niova ny minisitry ny fitsarana, saingy efa nanipy teny ny avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) tamin’ny alalan’ny Filohany Fanirisoa Ernaivo, fa tsy hampiova ny fitakian’izy ireo izany.

 

 Tsy ny fanovana olona no tena zava-dehibe fa ny fomba fiasa. Maniry ny hisian’ny fitohizan’ny raharaham-panjakana ka hanatanterahana ny fifanarahana efa vita sy ny fanatanterahana ny fitakiana efa nataony hatry ny ela ny SMM. Anisan’ireny ny fanomezan’ny fanjakana toky amin’ny tsy hisian’ny teritery sy ny tsy hiverenan’ny fanaovana fitaovana ny politika ny fitsarana. Raharaha nafana ihany koa ny mikasika an’i Claudine Razaimamonjy, izay efa nitakian’ny mpitsara hamelana azy ireo hiasa malalaka, saingy niseho ny teritery isan-karazany, indrindra ny nipoiran’ny Loholona Riana Andriamandavy VII nijoro ho fahavalon’ny Bianco sy ny SMM. Nisy ny fitondrana andian’olona nitora-bato sy nanakorontana teny amin’ny Biraon’ny Bianco teny Ambohibao ny volana aprily 2017. Nitohy tamin’ny sakantsakana sy fandrahonana mpitsara, ka tonga hatrany amin’ny fandrahonana ho faty tamin’ny alalan’ny tambajotra “facebook”, izay nitorian’ny SMM sy ny filohany Fanirisoa Ernaivo ity loholona ity. Tsy nisy tohiny mandrak’ankehitriny anefa ny raharaha. Mihevitra ny hanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny fitsarana vaovao Rasolo Elisé Alexandrine ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), ka hivoitra ny fifampiresahana ity raharaha Riana Andriamandavy VII ity. Rahampitso izy ireo no horaisin’ny minisitra Rasolo Elisé Alexandrine, raha tsy misy ny fiovan’ny fandaharam-potoana. Mety hofohazina amin’izay izany ny raharaha, ary tsy ho vitavita ho azy intsony. Miandry ny tohiny ny rehetra hoe ho lasa lavitra tokoa ve sa ho toy omaly tsy miova ihany ? Tsy azo hadinoina rahateo fa mampiasa sy mialokaloka ao anatin’ny zo tsy azo henjehina io loholona io na dia nanao fandikan-dalàna ampahibemaso aza.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT