Raharaha Ravatomanga

Manenjana ny Fanjakana Maorisianina


  • Alakamisy 30 Oktobra 2025

Tsy misy ho afa-bela !»

Miteraka savorovoro ara-politika sy ara-pitsarana goavana ao amin’ny Nosy Maorisy ny raharaha Mamy Ravatomanga, izay nipongatra nanomboka tamin’ny fipetrahana an-tsokosoko nataon’ny fiaramanidina manokana nitondra azy sy ny fianakaviany niaraka tamin’ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, ny alin’ny 12 Oktobra 2025. Tonga hatrany amin’ny Antenimierampirenena ny fitakiana ny famoahana ny marina sy ny pitsopitsony, tonga hatramin’ny ahiahy amin’ny mety ho fahatafidiran’ny governemanta ao anatin’ny afera maloto. Voatery niditra an-tsehatra nanao ny tatitra ny Praiminisitra maorisiana Navin Ramgoolam ny alatsinainy 28 Oktobra. Nambarany fa voarindra mialoha ny fipetrahana, ary niova imbetsaka ny antony nambaran’ny mpandeha: voalohany hoe fizahantany, avy eo hoe tsy ampy solika,... Na dia tsy nahazo alalana aza ilay sidina, dia nomena fahazoan-dalana vonjimaika noho ny fitsipika iraisam-pirenena momba ny fiarovana amin’ny sidina. Nandritra ny valin-teniny tamin’ny fanontaniana manokana (PNQ) napetraky ny mpitarika ny fanoherana Joe Lesjongard, dia nanambara I Ramgoolam fa “tsy hisy ho afa-bela” amin’ny fanadihadiana. Nampanantena mangarahara sy fahitsiana tanteraka amin’ity raharaha ity.
MIDITRA AN-TSEHATRA NY FBI
Mbola tsaboina ao amin’ny clinique Phoenix i Mamy Ravatomanga, saingy manomboka mailo ihany koa ny Fanjakana Maorisianina amin’ny mety ho fihetsika mody marary, ka nandefa ekipa mpitsabo ny minisiteran’ny Fahasalamana ao an-toerana hijery raha tena misy olana ara-pahasalamana na fialana amin’ny fanadihadiana fotsiny izany. “Mora loatra ny milaza fa misy olana amin’ny fo mba hialana amin’ny fitsarana.”, hoy ny Praiminisitra Maorisianina. Nambarany fa efa miitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha, satria miara-miasa amin’ny FBI amerikana ny manampahefana maorisiana amin’ny fanadihadiana momba ny fivarotana fiaramanidina Boeing 777 miisa dimy ho an’i Iran, izay ahiahiana fa misy ifandraisany amin’i Ravatomanga. Niteraka ahiahy ihany koa ny fialan’i Junaid Fakim, filohan’ny FCC teo aloha, izay voatendry hanadihady ity raharaha ity. Voalaza fa mety misy fifandraisana amin’ny olona ambony avy aty Madagasikara, ka mampitombo ny ahiahy amin’ny kolikoly sy fifandaminana ambadika. Mihasarotra anefa ny raharaha Mamy Ravatomanga izay misy dosie goavana maro, tafiditra amina raharaha famotsiam-bola amina miliara dolara maro, tafiditra amina heloka iraisam-pirenena,... ary mety hiitatra hatraty Madagasikara mazava ho azy ny fanadihadiana sy fanokafana ireo dosie goavana maro. Raha voamarina avokoa ny fiampangana, mety higadra 30 taona sy lamandy mitentina 95 tapitrisa i Ravatomanga. Mety hogiazana ihany koa ny fananany ara-bola any amin’ny banky iraisam-pirenena, noho ny fiampangana amin’ny fanodinkodinam-bola sy fanadiovana vola. Nampanantena ny governemanta maorisiana fa hampihatra ny lalàna amin’ny fomba hentitra, ary tsy hanaiky fanerena ara-politika na ara-diplomatika.
TSY NISY FANONGANA-PANJAKANA IZANY
Ara-politika, tamim-pahintsiana sy fahasahiana no nilazan’ny Praiminisitra Maoriasinina Navin Ramgoolam manoloana ny fiovana ara-politika eto Madagasika sy ny fanesorana amin’ny Vondrona Afrikanina hoe: «Tsy fanonganam-panjakana ara-miaramila izany, araka ny lazain’ny sasany. Fitroarana no nitranga. Nitsoaka nakany an-dafy ny filoha teo aloha. Ny zavatra tadiavinay dia ny hiverenan’ny fitondrana sivily ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifidianana.». Asa izay ho fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ara-diplaomatika eo amin’ny Firenena roa tonta manoloana ity raharaha goavana ity?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT