Tonga teny amin’ny Fitsarana Anosy ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy vokatry
ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga nandritra ny fankalazana tsingerintaona tany Ambohimalaza, ny 14 jona 2025. Ity no fihetsiketsehana voalohany nataon’izy ireo nanoloana ny fitsarana, ho fanehoana ny fitakiana ny marina sy fampiharana hentitra ny lalàna ho an’ireo tompon’antoka. Noho ny fahenoana fa fisiana fitsarana, fanadihadiana lalina na « enquête au fond » momba ity raharaha ity tao amin’ny Fitsarana Anosy no nahatongavan’izy ireo, saingy tratry ny sakantsakana samihafa. “Tsy hampiverina ny maty, fa mitaky ny marina,” hoy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, izay nanao hetsika am-pilaminana, ka tao ny nilanja sary, nitondra ferapara, ary nanao akanjo manokana misy ny sarin’ireo tanora namoy ny ainy. Niezaka niditra teny an-toerana izy ireo mba hanaraka ny fivoaran’ny raharaha, saingy voalaza fa nosakantsakanana tsy hidirana, ka niteraka fiahiahiana sy fanontaniana hoe maninona no toa atao tsiambaratelo ilay raharaha. “Tsy hoe hampiverina ny maty, fa mila avoaka ny marina. Nambara fa singa mahafaty no tao amin’ilay sakafo. Tsy hay intsony hoe poizina mahery vaika sa menaka lany daty? », hoy Rtoa Patricia Renin’i Myriella, tovovavy 21 taona anisan’ny namoy ny ainy. Misy mihitsy aza ahiahy hoe: natao fanandramana tamin’ireo olona ve ilay poizina ? Nisy ny fanamafisana nataon’ny Manam-pahefana dia ny Tonia mpampanoa lalàna sy ny mpitsabo fa tena fanapoizinana niniana natao na « empoisonnement » no niseho, saingy tsy holazaina hoe : inona ilay poizina. « Na izany aza anefa, tsy mbola niova ny fandraisana an-tanana ireo marary eny amin’ny HJRA, na dia efa nivoaka aza ny valin’ny fitiliana avy any Frantsa », raha ny fanamarihan’ny manana marary.
AVOAHY NY MARINA ! SANATRIA MBOLA HO FATY VE IREO HAFA ?
Tsiahivina fa ny tatitra farany navoakan’ny manam-pahefana dia olona valo (8) no efa voarohirohy. Telo (3) no efa naiditra am-ponja vonjimaika, ary ny ambiny dia ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Mitaky ny filazana ny marina momba an’i Fenohasina ilay tompona tsingerin,-taona. Fantatray fa ao izy fa tena mbola marary ve ? Ny fianankavian’i Fenohasina, ny mamany,… tsy naneho fiaraha-miory kanefa izy ireo no tompona tsingerin-taona, hoy ny fanamarihana. Momba ireo marary, mbola misy 13 manaraka fitsaboana. Manahy mafy ireo havan’ny marary sisa velona. Maro amin’ireo mbola manaraka fitsaboana no mbola anaty fahasarotana na misy aza ireo mba efa mivoatra ny fahasalamany. Niantso ny Fanjakana izy ireo mba handefasana hitsaboana ireo marary mbola ao anaty fahasarotana raha tena hita fa sarotra sy tsy vitae to. « Sanatria mbola ho faty avokoa ve ireo ? Tena misy mbola marary mafy ao, ka tokony handraisana fanapahan-kevitra. Tsy midika fanaovana tsinontsinona ny mpitsabo eto, ka tokony hojerena hoe : tsy vita eto ve ny fitsaboana ? Tena mijaly ny Raiamandreny », hoy ny antso avo. Nanao antso avo ireo fianakaviana mba hiray hina anatin’ny fikambanana iray efa natomboka, hanara-maso sy hanome hery amin’ny fitakiana ny hivoahan’ny marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.