Raharaha nahafaty ny Dr Rado Ratobisaona

Nampidirina am-ponja ny sakaizany


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimaria momba ny ahiahy famonoana ny Dr Rado Ratobisaona,

ilay mpampianatra mpikaroka momba ny toekarena teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny sakaizany ny zoma teo rehefa natolotra ny fampanoavana teny Anosy, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Raha tsiahivina dia maty irery tao an-tranony ity filohan'ny CREM na faribolam-pandinihan’ny mpahaitoekarena malagasy teo aloha ity ny 2 Jolay lasa teo. Neverina ho nianjera irery tao moa izy tamin’ireny fotoana ireny. Ny fianakaviana kosa anefa niahiahy famonoana ka nisokatra ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimaria, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tena sakaiza manody tokoa ve izany ity sakaizan’i Dokotera ity? Ho hita eo moa ny tohin’ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT