Raha ny fanambarana heno etsy sy eroa mikasika ny raharaha fitokonan’ny mpampianatra Fram etsy Anosy dia azo ambara fa tena vao mainka miha henjana ny tady eo amin’ireo ankolafin-kery mpifanandrina.
An-daniny ny minisitra Rabary Paul dia nilaza tamin’ny faran’ny herinandro iny fa tsy ho mpampianatra Fram daholo akory ireo iray alina hampidirina ho mpiasam-panjakana fa ao ireo mpampianatra nivoaka tamin’ny foibem-pampiofanana isam-paritra, ny CRINFP izay homena toerana 3000 ary ho an’ireo mpampianatra nivoaka tamin’ny sekoly ambony fanofanana mpampianatra, ENS , ny 500. Ny ANEFFA (Association Nationale des Enseignants Fonctionnaires et Enseignants Fram en Activité) kosa mitaky ny hampitomboana ho 75.000 an’ireo toerana 10.000 nofaritan’ny minisitera ka samy miziriziry eo ny roa tonta. Azo sorohina, hoy ingahy minisitra ny fampitahoran’ny ANEFFA hanao taona fotsy ny taom-pianarana ho avy ka efa nanolotra fandaharam-potoana hanomboka ny 6 oktobra izy. Dia fanambarana fitokonana faobe no setrin’izany avy amin’ireto farany. Etsy an-kilany ho valin’ny fanambarana tamin’ny haino aman-jery nataon’ny minisItra mikasika an’ireo fiarahamonina sivily sy ny olona mpanao politika ambarany fa ao ambadika dia nilaza Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy fa vonona ny hanao “face à face” amin’ity minisitra ity ny tenany hotsarain’ny vahoaka ka hogadraina izay resy. Izy moa dia mbola manamafy ny fitakiany ny hanalana amin’ny toerany ny minisitra Paul Rabary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.