Actualités

Raharaha MBS Raikitra ny fifamaliana teny Anosipatrana


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Nanatanteraka fitsidihana ny iraky ny CUA nijery ny toetry ny toerana, ny fotodrafitrasa.

 

 

 

Tsy nitondra fanazavana momba ny fitsidihana ireo iraka. Niafara tamin’ny fifamaliana ny fikasan’ireo olon’ny Kaominina hiditra tany anatin’ny toeram-piasana, izany hoe ao amin’ny trano misy ny studio an’ny onjempeo sy ny fahitalavitra MBS. Somary niakatra ny feo satria tsy nanaiky ho lembenana ireo tompon’andraiikitry ny MBS .Nisy hatramin’ny hoe resaka baomba, ka nilaza ny teo anivon’ny MBS fa toerana fameloman’izy ireo vady aman-janaka io, ka tsy misy baomba izany ao. Nilamindamina ihany ny resaka avy eo. Mihamafana ity toe-draharaha ity. Nialoha io, dia nitondra fanakianana mafy ny ben’ny tanàna ho mpanitsakitsaka lalàna ny Mpanolotsaina Monisipaly avy amin’ny TIM omaly nandritra ny fivoriana tetsy amin’ny Lapan’ny tanana. Efa ho 20 taona tsy nandoa ny volan’ny kaominina ny MBS, ka tsy maintsy nandraisana fepetra. Tsy misy ambadika politika, tsy misy fikasana hanakatona haino aman-jery. Tsy nisy voaloa na ariary aza nandritra ny 20 taona, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly. Tsy niala tamin’ny taratasy fifanarahana izahay. Tsy araka ny hevitra tiana ahely hoe Atoa Marc Ravalomanana no manao sonia amin’ny maha ben’ny tanàna azy sy maha Lehiben’ny orinasa. Fanapahan-kevitra lany teo amin’ny Filankevitra monisipaly no nekeny amin’ny maha ben’ny tanàna mahefa azy, ary nisy ny olona manokana avy amin’ny orinasa dia Atoa Yvan Randrianasandratriniony izay voarakitry mazava ao anatin’ny taratasy fifanekena, fa tsy hoe Ravalomanana sy Ravalomanana, araka resaka voizina, hoy kosa ny MBS. Mbola nohavaozina ny fifanarahana ny taona 2016. Teo anelanelan’ny 2009-2016 ihany no tsy nahaloa hetra satria niaraha-nahita fa potika sy rava noho ny raharaha 2009, hoy ny fanazavana. Nilaza moa Atoa Rakotonirina Jean Claude Roger, fa tsy hipetra-potsiny ny MBS, fa hiady araka ny taratasy ara-dalàna eo am-pelatànana eo anatrehan’ny tsindry.

 

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT