Actualités

Raharaha Masoivoho any Frantsa Nanamafy ny fisian’ilay fanararaotam-pahefana i Rinah R


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Marobe ireo manontany ahy, ka na dia lazaina aza fa hoe ny marina rehetra tsy filaza dia lazaiko foana ity satria efa tena marary ireo mpiara-miasa ilay niharitra azy nandritra ny 4 taona”

hoy Rtoa Rinah Rakotomanga mikasika ilay raharaha fitakian’ny mpiasan’ny masoivoho Malagasy any Frantsa ny fanesorana ny Mpanolontsaina voalohany Rtoa Randimbiarisoa Ramiakoliarosoa Mamonjisoa na “Mishou”. Nambarany tao amin’ny tambajotran-tserasera fa tena marina ary zava-misy iainan'ny mpiara-miasa eo anivon'ny mosoivoho ao Paris ireo voalazan’ny mpiasa. “Izaho izay mpanolontsaina tao dia manamafy ary manamarina fa tsy mety ary tsy azo ekena intsony na amin'ny mahaolona na arak”asa na ara-panjakana ny zava-misy ataon'ity ramatoa Mishou Randimbiarisoa. Io no niteraka ny adinay tao ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Tsy mpiara-miasa, tsy ambasadaoro, tsy Malagasy mila fanampiana avy amin’ny Masoivoho, tsy misionera, tsy minisitra, tsy praiminisitra, eny fa na ny Filoham-pirenena aza dia ataotaon'io ramatoa voalaza anarana io avokoa satria hono izy no mahay sy afaka miteny ny rehetra ary zokiolona ka tokony hohenoin-teny”, hoy hatrany I Rinah Rakotomanga, izay marihina fa efa niasa tany amin’ny masoihontsika tany Frantsa rehefa nesorina tsy ho Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Mbola nampiany aza fa tsisy fanajana, tsisy fahaizana fa entin'ny saina maniditsidina fotsiny sady tampoham-pahefana ka manambany olona, mampihorohoro, mampandainga olona, manalika ny hafa, manararaom-pahefana, mandrahona ny rehetra satria hoe akaiky ny Filoha mivady. Dia izao notendren'ny Filoha izao foana no lazaina, izao hoe hoy ny Filoha izao foana na tsy marina aza no ampitahorana ny rehetra... Efa nolazaina foana fa izany no manimba ny Filoha saingy hoe: marary izy dia nasaina nilefitra ny rehetra na izaho aza saingy heveriko fa tsy azo ekena intsony izany ankehitriny ary hijoro aho hanampy ireo mpiara-miasa hiharan'ny tsindry hazolena ary mbola hijoro satria tsy izy irery no manao toy io ka mitonona hoe notendren'ny Filoha ka tsy azo kitihina, hoy hatrany I Rinah Rakotomanga. Nahitsy ity farany nilaza fa mila miomana dieny izao izy rehetra ireny na Gasy na Vazaha fa hoavy izy amin'ny angady sy ny harona fa ampy kosa angamba izay fahanginana noho ny fihavanana, fa tsy maintsy hijoro sy hiteny ampahibemaso amin'izay aho noho ilay tombotsoam-pirenena. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT