Raharaha Mamy Ravatomanga

Tsy re feo i Côte d'Ivoire sy Serbie


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Nihazakaza ny toe-draharaham-pirenena malagasy

ary niitatra vetivety tamin'ny sehatra iraisampirenena mihitsy ny raharaha Mamy Ravatomanga. Raharaha mikasika mpandraharaha malagasy neverina ho matanjaka indrindra teto amin'ity firenena ity izany kanjo tampoka teo, hoy ireo mpanara-baovao, dia nifotetaka amin'ny tany. Nivoaka ny faran'ny herinandro teo ny didy fampisamborana iraisampirenena izany mpandraharaha izany. Nogiazana ny fananany atsy amin'ny nosy Maorisy. Tsiahivina fa notendrena ho masoivoho ivoarianina sy serba ity mpandraharaha ity nialohan'ny fipoahan'izao raharaha rehetra izao. Tsy re feo anefa ankehitriny ny fanjakana ao Côte d'Ivoire sy Serbie hatreto mikasika ity raharaha ity. Toa tsy miaro ny olony akory, hoy ny fanontaniana isany mipetraka? Hatreto, araka izany, dia heverina fa nitodi-damosina tamin'ity mpandraharaha ity ireto firenena miisa roa nandrasana hiaro azy ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT