Actualités

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Efa voaray ny valin’ny « Autopsie », saingy…


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Nanambara ny teo anivon’ny borigady misahana ny heloka bevava etsy Anosy, omaly, fa efa eo am-pelatanan’izy ireo ny valin’ny fitiliana natao mikasika ny fomba nahafatesan’ilay tompon’andraiki-panjakana teo aloha, Mamy Rakotoarivelo.

 

 Araka ny fanazavana anefa, dia mbola misy valim-panadihadiana fanampiny tsy maintsy andrasana mialoha ny ahafahana milaza ny amin’ny tokony hanohizana  na tsia ny fikarohana mikasika ity raharaha ity. Raha tsiahivina, ny 28 jolay teo no hita faty tao an-tranony tetsy Ankadifotsy ity filohan’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha sy olon’ny antoko Tiako I Madagasikara fahavelony ity. Niteraka fisalasalana kosa ny filazana fa nitifi-tena izy satria dia nilaza ny mpiasa an-trano fa feom-basy in-droa no henony. Andrasana ato ho ato, araka izany, ny fanambarana avy eo anivon’ny polisy na namono tena tokoa ny tenany na nisy namono. Raha nisy, iza no namono azy ary inona no mety ho antony ? Mijanona ho mistery hatreto ny raharaha. Ny fitarazohan’ny fahatongavan’ilay tatitry ny “Autopsie” teo anivon’ny polisy mpanao fanadihadiana aloha dia efa nahagaga ny maro; izao voaray ilay valin’ny “Autopsie” saingy ambara fa mbola misy vokatry ny fanadihadiana hafa andrasana vao ho fantatra ny tena zava-nitranga marina. Tsy nety nanambara izay voasoratra ao anatin’ilay tatitry ny “Autopsie” moa omaly ny polisim-pirenena satria mbola mijanona ho tsiambaratelo izany mandra-pahavitan’ny fanadihadiana hafa. Ny hany fantatra dia tsy mbola tonga eo amin’ny polisy ny bala izay nolazaina nahafaty an’i Mamy Rakotoarivelo. Natsipin’ny BC any amin’ny hopitaly ny rihitra satria izy ireo no nanao ny fitiliana ny razana. Fa angaha moa tsy manana alalana avy hatrany maka izany ny BC ? Sa entina handrakofana ny tsy fandrosoan’ny raharaha fotsiny izao tranga rehetra izao ?


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT