Actualités

Raharaha Magro- CCIA : amin’ny alarobia ny valim-pitsarana


  • Zoma 05 Martsa 2010

Niakatra teo anivon’ny ‘tribunal de fond’ ny talata lasa teo ny raharaha mampifanolana ny vondron’orinasa Tiko sy ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria momba ny raharaha tany etsy amin’ny Magro Ankorondrano.

Raha nandalo tao amin’ny tribunal de référé moa ity raharaha ity herinandro lasa izay dia nilaza fa tsy mahatapaka ity farany. Antony 2 no hitorian’ny CCIA ny vondron’orinasa Tiko, dia ny tsy nahaloavan’ny orianasa ny hofan’ny tany ny taona 2009 sy ny tsy tokony nanaovana io toerana io  ho nitondra ny anarana hoe ‘Magro’ fa amin’ny anaran’ny filohan’ny antenimieran’ny varotra tamin’izany fotoana dia Razanatseheno Henri.

 
Manoloana ireo antom-pitoriana ireo moa dia nambaran’ny mpisolo vava ny orinasa Tiko, fa nakarina tsy nifampierana ny hofan-tany tamin’iny taona 2009 iny. Ny voasoratra ao anatin’ny fifanarahana anefa dia hifampierana tanteraka ny fampakarana ny hofan-tany. Momba ilay anaran’ny tany indray dia nahoana no 10 taona taty aoriana vao nanao fanamarihana ny CCIA kanefa azony natao tsara izany 2 na 5 taona taty aoriana. Araka ny fantatra àry dia amin’ny alarobia heriny no hanome ny valiny ny fitsarana. Raha tsiahivina dia ‘bail emphythéotique’ 40 taona no nifanarahan’ny Tiko sy ny CCIA ary tany amin’ny taona 2000 tany no nifanarahan’ny roa tonta.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT