Actualités

Raharaha mafampana eto Madagasikara Tsy ampy tetibola hanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Nifarana tamin’ny herinandro teo ny fiofanana nomena ireo solontenan’ny mpanao gazety avy amin’ny faritra 22 mikasika ny fomba fanaovana fanadihadiana lalina eo amin’ny asa fanaovan-gazety na ny « Journalisme d’investigation ».

Niofana nandritry ny 6 volana tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina moa ireto mpanao gazety ireto ary dia nomena azy ireo avokoa ireo paika sy torohay rehetra ahafahana manatanteraka ny fanadihadiany tsy ho amin-tahotra sy lalindalina kokoa. Ny avy eo anivon’ny firenena mikambana, tamin’ny alalan’ny Unesco no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana sy ny fiantohana izay nilaina rehetra hahatontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fampiofanana ary hametraka ireo dian-drantsany ao anatin’ilay gazety manokana mitondra ny anarana hoe « Trandraka » ireto mpiofana ireto aorian’izao. Naneho hevitra ny mpampiofana fa raha ny eto Madagasikara dia mbola vitsy ireo mpanao gazety sahy manao fanadihadiana lalina eo amin’ny raharaha mafampana eto amin’ny firenena noho ny tsy fahampian’ny tetibola na tohana ara-bola sy fitaovana atolotr’ireo orinasa misy azy ireo mpanao gazety.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT