Raharaha lavanila ao Maroantsetra

Olona am-polony no naiditra am-ponja


  • Alarobia 08 Mey 2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana dia voalaza fa tsy nandoa tamberim-bidy na "ristourne" ilay mpandraharaha lavanila voakasika amin' ity raharaha ity ka nanaovana fanadihadiana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary tonga hatrany amin’izao fampidirana azy am-ponja izao. Miaka-bidy ny lavanila amin'izao fotoana izao ary mampahazo aina ny tantsaha sy ireo mpisehatra ny lavanila, indrindra ireo mpandraharaha izany. Izay fiakaram-bidy eo amin’ny lavanila izay no misy akony eo amin’ny fifaninanan'ny samy mpandraharaha lavanila any an-toerana. Ahiana ny fisian'ny antsojay samihafa manodidina ny nahatonga izao fanenjehana sy fampidirana am-ponja izao. Mipetraka rahateo ny fanontaniana, angaha tsy azo atao ny mampandoa ilay tamberim-bidy na "ristourne" na misy lamandy mifandraika amin’izany no tonga hatrany amin’ny fampidirana am-ponja avy hatrany mihitsy sa misy te hanao ampihimamba ity fandraharahana lavanila ity koa any an-toerana? Andrasana ny tena marina sy ny tohin'ity raharaha lavanila tao Maroantsetra ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT