Actualités

Raharaha Jean Pierre Efa dinihan'ny ministera ny momba azy


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Miisa 6 ireo mpikambana nahazo fankatoavana eo anivon’ny foibem-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara eto Antananarivo sy Toamasina ary Mahajanga amin’izao raha mahatratra 6.000 kosa ireo mpikambana.

 

 

 

 

 Anisan’ny mahavitsy iretsy voalohany raha araka ny fanazavan’Andriandrainarivo Josephin, filohan’ny ANTM omaly ny hamaroan’ireo tsy manara-dalana sy tsy manaraka ny fenitra tokony arahina. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy famonjena fivoriana hahalalana ny tokony hatao, ny fampiasana fitaovana maoderna toy ny bioscan sy ny fitaovam-panorana maro samihafa… Anisan’ny tafiditra tao anatin’ireny Rakotondrainaivo Jean Pierre izay efa nalan’ny ANTM tsy ho mpikambana tao aminy intsony nanomboka ny taona 2017 noho ny tsy fanarahan-dalana. Na izany aza mbola nivezivezy teny rehetra teny ihany ity mpitsabo nentim-paharazana iray ity antony nandefasan’ny ANTM taratasy tany aminy tamin’ny alalan’ny vadin-taniny. Ankehitriny efa tafakatra eny anivon’ny CNMT na ny komity mandinika ifotony ny fitsaboana nentim-paharazana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny raharaha. Mbola handalo eny anivon’ny DRS manerana ny Nosy izany raha ny fantatra hiampita eny anivon’ny SLRC, izay misahana rano fotsiny ny resaka lalana mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana eo anivon’ny Ministera. Manoloana ireo karazana herisetra sy tsy fanarahan-dalana manodidina ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika moa dia miantso ny Fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana ny filohan’ny ANTM mba hijery akaiky izanyho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, izay tompon’ireo harena voajanahary nomen’Andriamanitra.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT