Notorian-dRafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA, Rakotondranaivo Jean Pierre izay mpitsabo nentim-paharazana niara-niasa taminy teo aloha.
Raha araka ny fanazavan’ny mpitory dia maro loatra ireo antsojay sy zavatra mihoatra ny lalana hataon’ity mpitsabo nentim-paharazana ity mikasika ny orinasa tantanany izay manana taratasy ara-dalana sy mijoro ara-panjakana. Maro ireo fampirohoroana raha araka ny fanazavany toy ny nitranga tao amin’ny ivon-toeran’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA ao Toamasina omaly maraina ka voatery ny tenany nametraka fitoriana eny anivon’ny procureur de la Republique ary efa nalefa ao amin’ny borigadin’Antananarivo renivohitra izany fitoriana izany. Raha tsiahivina ihany koa moa dia nandefasan’ny fikambanam-pirenen’ny Mpitsabo Nentim-paharazana eto Madagasikara na ny ANTM/FMNPM taratasy tamin’ny alalan’ny vadin-taniny ity mpitsabo nentim-paharazana iray ity mikasika ny tokony hampiatoany ny asa fitsaboana tanterahiny tsy misy hatak’andro. Noho ny tsy fanarahan-dalana nataony no voalaza fa anton’izany toy ny fanaovana dokam-barotra manana endrika fitadiavam-bola mikasika ny fahombiazan’ny fitsaboana sy ny fanafody hampiasainy. Eo ihany koa ny fampiasany solon’anarana sy fisandohana titra ilay milaza fa dokotera ary farany dia ny fampiasana fitaovana toy ny bioscan sy ny fitaovam-panorana maoderna. Efa tamin’ny taona 2017 moa Rakotondranaivo Jean Pierre no nalan’ny ANTM tsy ho mpikambana tao aminy intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.