Raharaha fitondrana rongony 482kg

Karohina ilay mpamily kamiao


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Efa hatramin’ny 22 desambra teo koa no namoahan’ny zandarimaria nasionaly

antso fikarohana ilay mpamily kamiao nitondra rongony na “chanvre indien” milanja 482 kg izay nitsoaka, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Navelany tamin'ny mpamily mpanampy ny fiara, hoy ny fanazavana, ka izay mahita azy dia antsoy ny 0341400554. Miraniaina Jean Elysé Valéry Andrisoa na Andry no anaran’ity mpamily teraka ny 16 jolay 1984 ity tao Ambositra ity. Fonenana nahafantarana azy farany ny tao Mahitsy, Lot B 50Bis II. Mety ho hita ao Anosibe, Antananarivo koa izy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny vondro-tobin’ny zandarimaria Vakinankaratra. Isany fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao moa ny hoe iza no tena tompon’ny entana? Nahoana no tsy voasambotra teo no ho eo ity mpamily ity? Tena nitsoaka ve izy io sa navela andeha?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT