Na voafonja aza ireo olona ireo dia mbola manana ny zo maha olombelona azy, hoy i Navony Pierre Le Noble Filohan’ny Filan-kevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna na ny HCDDED.
Ny toe-javatra niseho tao amin’ny Fonjan’i Farafangana nisiana fitifirana nitarika fahafatesana gadra 23 ny 23 aogositra no nanehoany hevitra, izay nilazany ihany koa fa aleo mbola tsy hiteny hoe rariny sa tsy rariny. Nisy kosa anefa ny maty nampifampitaingenina ohatran’ny fatim-biby sanatria. Tsy hoe lasa biby izy rehefa voafonja. Amintsika Malagasy, rehefa misy maty dia saronana lamba fa tsy hatao tahaka ireny. Vao mainka mampikorontana ny fiarovan-tena ataon’ireo voakasika na koa ny fanakianana be fahatany. Mila manangana komity fanadihadiana ka hampidirina ho mpikambana ao ny HCDDED, parlemantera, mpiasan’ny fitsarana,… Tsy hita intsony ny marina, ka samy manana ny filazany, hoy izy. Asa na hisy tatitra mazava momba ny fanadihadiana sy ny fehin-kevitra mazava na ho vitavita ho azy toy ny raharaha Antsakabary sy Ambovombe izay nisiana fifandonana namoizana aina Malagasy saingy vitavita ho azy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.