Raharaha fanapoizinana

« Efa fantampantatra hoe iza no nahavanon-doza… »


  • Zoma 20 Jona 2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

takariva ilay raharaha fanapoizinana nahafatesana olona marobe. 51 no naiditra Hopitaly tao amin’ny HJRA, 17 no namoy ny ainy, 9 sitrana soa aman-tsara, 25 anaty fitsaboana, 5 efa mihatsara. Atao ny fomba rehetra hanavotana ireo mbola anaty fitsaboana, efa misy « protocole » vaovao, raha ny filazan’i Andry Rajoelina. Nampanantena fa atao ny fomba rehetra hanavotana ireo mbola anaty fitsaboana, efa misy « protocole » vaovao. Mahonena fa ny sakafo nohanina no nahatonga fahafatesana, fanapoizinana fa tsy fahapoizinana ara-tsakafo, ka very ny soatoavina. Na inona na inona antony dia tsy misy mihitsy tokony hamonoana olona, hoy i Andry Rajoelina. Tsy azo avela amin’izao fa tsy maintsy saziana faran’izay mafy ny olona nahavanon-doza, hoy i Andry Rajoelina, izay nilaza fa mety misy ny tsy fifankahazoana sy disadisa anatin’ny fianankaviana. Efa nisy tranga mitovitovy amin’izao tamin’ireo fianankaviana, raha ny filazany. Nolazaina fa efa hitahita taratra hoe : iza no nahavanon-doza ? Nolazaina fa nalefa any ivelany ny singa mikasika ny sakafo ka tsy maintsy atao hatramin’ny farany hoe : inona ilay poizina ? Tena tsy nisy fanapoizinana faobe betsaka tahaka ity, hoy i Andry Rajoelina, nanizingizina fa fanapoizinana fa tsy fahapoizinana ka very ny soatoavina. Tena ny fitanisana pozina sy fanapoizinana ve no nahamaika sa ny fandefasana ireo mbola marary sy atahorana hotsaboina haingana any ivelany ohatra ? Tsy nisy resaka fisaonam-pirenena mihitsy toy ny hita hatrizay ! Ny fahapoizinana hoy izy, dia misy ihany koa ny hoe : rehefa tsy voatandrina ny fandrahoana sy fitandroana ny sakafo indrindra fa ny « fruit de mer » dia miteraka ny « intoxication alimentaire », izahay anisan’ny tratra tany Mahajanga, hoy i Andry Rajoelina. Fa iza no tsy mahavaha ny olan’ny delestazy izay isan’ny miteraka fahasimban’ny sakafo ? Tany Mahajanga, nolazainy fa efa nalaina ny singa tamin’ilay « mortadelle », misy « groupe électrogène » ka tsy tokony ho tapaka ny « chaine de froid ». Misy zavatra tokony hojerena hoe : tonga dia nohanina ve ? Mbola notehirizina ve ? Nilaza i Andry Rajoelina fa tokony hitandrina satria misy ihany koa ny olon-dratsy. Ny loza tahaka ireny dia tena mamono olona, fa ny tsy fahaiza-mitantana maro lafy miteraka fahantrana, eny fa na io delestazy izy io aza anie ka mamono olona marobe any amin’ny Hopitaly e ! Tompon’antoka amin’ny fahafahatesan’ny Malagasy maro mazava ho azy ny Fanjakana izay i Andry Rajoelina no lohany any an-tampony.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT