Raharaha ENMG

« Ampiharo ny lalàna ! »


  • Alakamisy 07 Mey 2026

Araka ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901

izay manasazy ny hosoka amin’ny fanadinana sy fifaninanana ampahibemaso, izay mbola manan-kery ao anatin’ny lalàna mihatra eto Madagasikara, dia voasazy higadra izay tompon’andraikitra amin’ny fivoahan’ny lohahevitra, hoy ny fampahatsiahivan’ny solontenan’ireo mpianatra afaka adina an-tsoratra tamin’ny fifaninanana teo anivon’ny ENMG na «École Nationale de la Magistrature et des Greffes», izany hoe, Sekoly ambony nasionaly momba ny fitsaràna sy firaketan-draharaha. Ity lalàna ity, hoy ny fanazavàna, dia nampiharina teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny didy tamin’ny 8 febroary 1902. Taorian’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena dia nohazonina tamin’ny fomba ofisialy izy io tamin’ny alalan’ny didy tamin’ny 23 jona 1962 (J.O. tamin’ny 25 Febroary 1902, pejy 7635), izay namoaka azy ho manan-kery. Midika izany fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny rafitra ara-dalàna anatiny eto amintsika io lalàna tamin’ny 23 desambra 1901 io. Ny andininy faha 12 amin’ny didim-panjakana laharana 2004-730 izay mamaritra ny fomba fandraisana sy fanendrena mpiasam-panjakana dia mampihatra ity lalàna ity raha misy hosoka. Toy izany koa, ny didim-panjakana laharana 8809/2019 izay manasazy ny hosoka mandritra ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE 6ème, BEPC/2nde, CAE/EP ary CAP/EP dia manonona ao amin’ny fanambarana azy ny didy tamin’ny 8 febroary 1902, izay nampihatra ny lalàna 1901. Ireo didy miisa 2 ireo dia manamafy fa tafiditra tanteraka ao amin’ny lalàna mihatra eto amintsika ity lalàna ity. Mikasika ity lalàna ity, ny andininy voalohany dia milaza fa ny hosoka rehetra amin’ny fifaninanana ampahibemaso dia heloka bevava. Midika izany fa araka ity lalàna ity, ny hosoka dia fandikan-dalàna araka ny foto-kevitry ny maha-ara-dalàna ny heloka sy ny sazy. Manohy ny lalàna amin’ny andininy faha-2 milaza fa «Izay rehetra tratra nanao heloka toy izany, indrindra, fa izay nanome na nampita tamin’ny hafa, amin’ny fahalalana mialoha, alohan’ny fanadinana na fifaninanana, ny lahatsoratra na ny lohahevitra amin’ny fanadinana (…) dia saziana higadra 1 volana ka hatramin’ny 3 taona ary handoa onitra 100 Francs ka hatramin’ny 10 000 Francs, na iray amin’ireo sazy ireo ihany». Ny teny hoe “amin’ny fahalalana” dia manondro ny lafiny ara-tsaina amin’ny heloka ka tsy maintsy natao tamim-pahafantarana ny fizarana vaovao. Ny olona mahazo izany vaovao izany dia mety ho ireo mpiadina. Raha fintinina, ity lalàna ity dia manondro mazava ny tomponandraikitra amin’ny fivoahan’ny lohahevitra. Amin’ny fametrahana sazy mety hahatratra 3 taona an-tranomaizina dia manamafy ny fitsipiky ny fanasaziana mifanaraka amin’ny olona tomponandraikitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy. Midika izany fa ireo tena voakasik’izany ihany no tokony hosaziana. Amin’ity tranga ity, ny asa nataon’ilay mpiasan’ny «reprographie» izay nizara tamin’ny fomba tsy ara-dalàna sy talohan’ny fanadinana ENMG ny lohahevitra dia mifanaraka tanteraka amin’ny heloka voasoritra ao amin’ny andininy faha-2 amin’ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901. Noho izany, tokony hampiharina aminy io lalàna io, hoy hatrany ny fanazavana voaray omaly!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

Hijery ny tohiny
FTT