Actualités

Raharaha “écrans plats” Efa am-pelatanan’ny fitsarana


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Efa any amin’ny Fitsarana, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco Efa any amin’ny Fitsarana mahefa ny dosia mahakasika ny « écrans plats », hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco Atoa Andrianirina Laza Eric Donat omaly.

Ny fitsarana mahefa no handray ny raharaha amin’izay, fa efa vita ny fanadihadian’ny Bianco. Mba mila mahandry isika, fa aza maika fa izahay ihany koa aza mba miandry hoe nankaiza ny tohiny taorian’ny fahavitan’ny fanadihadiana, hoy ny Tale Jeneraly. Mandeha daholo ny fanadihadiana na zavatra kely na lehie, hoy izy. Misy anefa na izany aza zavatra mety tonga dia raisim-potsiny ilay voarohirohy, misy tsy maintsy karohana ny ireo porofo avy eo anefa mety efa mamafa ireo porofo ilay olona, raha vao misy ny fitarazoana. Raha tsiahivina ny raharaha “écrans plats” dia ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO-Covid-19 izay heverina ho solontenan’ny mpividy sy Rtoa vadiny, izay Tale ara-barotry ny orinasa nividianana no nanasonia ny taratasy ara-barotra nividianana ireo fitaovana ireo, izay mitentina 216 tapitrisa ariary teo. Minisitra am-perinasa no voakasika, tsy voahozongozona tamin’ny toerany na nialoha ny fanovana mpikamban’ny governemanta aza ny raharaha. Amin’ny maha minisitra, dia ny HCJ no mahefa hitsara. Ny IRD no manana maro an’isa etsy Tsimbazaza. Handeha tahaka ny fanenjehana ireo Minisitra tamin’ny andron’ny HVM sa ho vitavita ho azy ? Ny minisitra voatondro ho manohintohina fiandrianam-pirenena midoboka am-ponja tsisy fitsarana fa ny ahiana ho nanodina nanao kolikoly mbola tsara toerana anaty governemanta ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT