Mampahatsiaro ny fanambaran’ny akademian’ny fitsaboana taorian’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fisian’ny tambavy CVO na Covid organics ny zava-mitranga ihany koa amin’ny ady hevitra tsy mety vita momban’ny
Coliseum ahorina ao anatirova ity. Raha tsiahivina dia nisy tamin’izay fotoana izay ny fanambaran’ireo akademisianina izay tsy nankasitraka ny filazana sahady ny maha fanefitry ny aretina COVID 19 ity tambavy ity saingy taorian’ny fifampiresahan’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena teny Ambohitsorohitra dia nivoaka ny fanambaran’ireto akademisianina ireto fa tambavy io. Ity indray moa izany taorian’ny fihelezan’ny vaovao tamin’ny gazety iraisampirenena, Le Monde, fa nametra-pialana tsy ho isan’ireo komity siantifika misahana ny lapan’i Manjakamiadana sy ny rovan’Antananarivo intsony ny Pr Rafolo Andrianaivoarivony, izay mpahaigolantany na « archeologue », dia nampiantso azy amin’ny andro alimbe ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, avy eo. Adin’ny roa taorian’izay, izany hoe, omaly maraimbe tamin’ny 12 ora sasany, dia namoaka fampahafantarana ny sampan-draharaha miandraikitra ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika fa vonona hanohy ny fiaraha-miasa hananganana ilay Coliseum ao anaty lapa indray ity Profesora ity. Tena nahim-pon’ireo siantifika ve sa misy ambadika sy faneriterena no anton’ilay fanekena tampoka isaky ny misy fofompofona fahafaham-baraka mandindona ny fitondrana ? mampametra-panontaniana hatrany hoe fa naninona no hita ho nitovitovy ny nanjo ireo siantifika tao anatin’ireo raharaha ireo ? Ny tantara no hitsara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.