Actualités

Raharaha Claudine Razaimamonjy Mbola misy olona karohina


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Anjaran’ny fitsarana ny fanadihadiana ireo dosie efa eny am-pelatanany, ary mitohy kosa ny fanadihadian’ny Bianco momba ireo dosie tsy tafita any amin’ny fitsarana amin’izao fotoana raha ny fanazavan’ny Jeneraly Ratovoson Benjamina, filohan’ny sampan’ny Bianco Antananarivo.

Mbola misy ny olona karohina momba ireo dosie eo am-pelatanan’izy ireo, saingy tsy nambarany mazava kosa ireo olona ireo. Tsy dosie vaovao fa ireo efa noresahina tany aloha ihany, ka ireo olona niara-niasa taminy na akaiky azy no hanaovana fanadihadiana. Efa betsaka ny raharaha tafiditra any amin’ny fitsarana fa tsy mahakasika mivantana azy, fa kosa mahakasika ireo akaiky na mpiara-miombon’antoka aminy na ampiasainy amin’ny asa aman-draharaha izay ataony, hoy hatrany ny jeneraly Ratovoson Benjamina. Miisa 4 ireo dosie momba izany, ka misy ireo eo am-panatanterahana ny fanadihadiana na eo am-pamaranana mihitsy aza. Nampanantena io tompon’andraikitra io fa hitady vokatra tsara amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly. Mety hisy fivoarany ny momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy ato ho ato. Toa mahakely fanantenana ihany anefa satria na ny tohin’ny fitsarana ireo raharaha efa nalefan’ny Bianco eny amin’ny fitsarana aza tsy misy resaka. Na ireo nitabataba momba ity raharaha ity aza nangina sy tsy nandrenesam-peo. Tratry ny kolikoly sy voatampim-bava tamin’ny vola ve ? Miezaka mampiseho fa miasa kosa ny Bianco, ka nanitatra ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra maro. Nisy omaly fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa nataony tamin’ny orinasa Scoop Digital sy ny AVG (Alliance Voahary Gasy). Hivoitra ny fanentanana ho an’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, toy ny fitarihana ireny mpamatsy fitaovana ho an’ny sampan-draharaha ireny tsy hiditra amin’ny kolikoly, hampita hafatra amin’ny ady amin’ny kolikoly,….. Nambaran’ny tale Jeneralin’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy koa fa tafiditra ao anatin’ny kolikoly ny fanararaotana sy ny gaboraraka ataona mpitantana na mpiasa amina fahefana orinasa tsy miankina iray amin’ny fitaovana nomena hiandraketany. Efa voafaritra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana izany, ary ao anatin’ny lalàna vaovao, izay mifehy ny ady amin’ny kolikoly lany tamin’ny 2016.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT