Raha tany amin’ny 04 aogositra no nilazan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa efa
eto ny FBI (Federal Bureau of Investigation) hanao fanadihadiana momba ny raharaha boeing 777, dia tsy nisy akony mandrak’androany ny tohiny. I Patrick Raharimanana no namoaka omaly 20 aogositra 2025, fa tonga ireo FBI 3 mianadahy, ary manana mpandika teny malagasy ireto amerikanina mpanao fanadihadiana ireto. « Vehivavy 2, lehilahy 1 no manomboka mamerina ny fanadihadiana rehetra, mikasika ity Boeing 777 miisa 5, lasa any Iran ity. Nafindra any amin'ny ENSP (Ecole Nationale Supérieure de la Police) Ivato avokoa ireo voatana momba ity resaka B777 ity. », hoy izy. Nambarany fa mbola voatana efa 1 volana izao ireo roalahy heverina ho nanome ilay code transpondeur. Voalazany ihany koa fa misy talen'ny ACM no voatana amin'ny toeran-kafa, tsy miaraka amin'ireo mpiasa hafa, nanomboka ny alatsinainy teo. Inspecteur iray hafa, ilay nijery ilay fiaramanidina tany Chine no voatana omaly, ary ilay inspecteur stagiaire iray namany tany kosa navotsotra. Efa natao fanadihadiana ny Tale Jeneralin’ny ACM, fa nalefa nody, raha ny voalaza tao anatin’ity fizaram-baovao ity. Voalaza ihany koa moa fa nampanantsoina ny minisitry ny fitaterana teo aloha sy mpiasa maromaro tao amin'ny ACM, saingy mbola tsy nazahoana vaovao hatreto ny tohiny. Mikasika ilay teratany Karana sy Malagasy tompon'ny Orinasa Udaan, dia voatana ao amin'ny ENSP ihany koa. Andrasana ny tohiny sy akony, fa niparitaka ihany koa ny taratasy miendrika fanapahana nataon’ny Praiminisitra mitondra ny datin’ny 05 aogositra sy ny 11 aogositra manafoana ny fanendrena olona maro be tao amin’ny Minisiteran’ny fitaterana manodidina ny 30 isa, niainga tamin’ny Mpikamban’ny kabinetran’ny Minisitra teo aloha, mpanolotsaina, hatramin’ny tompon’andraikitra ara-tserasera,… Ny Praiminisitra Ntsay Christian izay miandraikitra ihany koa io Minisitera io taorian’ny fanesorana an’i Valery Ramonjavelo. Miova mpitantana dia manova olona sa misy ifandraisany amin’ny raharaha Boeing ireo nesorina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.