Raha olona 33 no voalaza fa tafiditra tamin'ny raharaha Boeing 777 dia olona 22
no nandalo fampanoavana sy nidoboka am-ponja vonjimaika, raha ny tatitry ny Fitsarana misahana ny kolikoly ny PAC, tamin'ny alalan'ny Tonia mpampanoa lalàna Rasoahanta Elysée. Notsiahivina fa ny Jolay 2025 no tratra ny raharaha fiaramanidina Boeing 777 nampitondraina laharana Malagasy kanefa tonga tany Iran. Nandalo tao Cambodge ireo fiaramanidina, ary lasa tany Iran rehefa nanaovana fanoratana vonjimaika na immatriculation provisoire teto Madagasikara. Namafisina fa firenena iharan’ny sazy iraisam-pirenena i Iran. Ny 24 Novambra 2024 no nangataka ny fanoratana an’ireo fiaramanidina miisa 5 ny UDAAN Aviation. Ny 27 Janoary 2025 kosa no nahazoan’izy ireo ny taratasy manamarina ny fahazoana manoratra anarana vonjimaika an’ireo fiaramanidina, dia ny CIP (Certificat d’Immatriculation Provisoire) sy ny CNP (Certificat de Navigabilité Provisoire). Ny Jona 2025, rehefa nanao fanamarinana sy nanamarika ny maha ara-dalàna ny antontan-taratasy ny tany Cambodge, dia nahitana fa ireo antontan-taratasy izay tokony ho tapitra anatin’ny 3 volana (17 Janoary – 17 Aprily) dia novaina ho 12 Aprily – 12 Jolay 2025. Niova avokoa na ny daty, na ny sonia, na ny fitomboka tao anatin’izany, raha ny fanazavan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny PAC, Rtoa Rasoahanta Elysée. Teo no nahitana fa nisy hosoka sy fampiasana hosoka, ka nahatonga ny ACM nitory. Tonga amin’izao dingana izao isika, ka nanagadrana ireo olona voalaza fa tafiditra tao anatin'ny raharaha
NIDOBOKA NY TALE JENERALIN'NY ACM
Ny 6 amin'ireo nidoboa any am-ponja dia orinasa avokoa, 6 mpiasa ambony eo anivon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), ary ny ambiny dia mpiasa niara-nanangana orinasa tamin’ireo vahiny, satria misy vahiny 5 miaraka amin’ireo voapanga ireo tonga eto, raha ny tatitra nataon’ny PAC. Loharaharana amin'ireo mpiasan'ny ACM nalefa any am-ponja ny tale jeneralin'ny ACM Kolonely kolonely Damasy Gervais, raha ny loharanom-baovao. Anisan'ireo voarohirohy, saingy miandry ny mety hiakarany eo anivon'ny HCJ (Haute Cour de Justice) tsy maintsy hilàna fankatoavana 2/3 amin'ny mpikamban'ny Antenimierampirenena kosa ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Valery Ramonjavelo. Tsy niresaka nivantana an'io ny PAC saingy nampahatsiahy ny andininy faha-133 amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy mamaritra mazava tsara fa ny mpikamban’ny governemanta izay voahenjika dia miatrika izany eo anatrehan’ny HCJ. Ka fotoana tahaka izao no nampahatsiahivana izany andininy izany, satria matetika heverina fa ny PAC foana no mitsara ny raharaha kolikoly, hoy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny PAC Antananarivo. Nilaza moa io mpitsara ambony io fa somary mavesatra ihany ny fiampangana: Kolikoly, Fanararaotam-pahefana, Fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena, Fikambanan-jiolahy, Fanafenana olon-dratsy, Fisandohana titre.
NISY FIHAIKENA, TSY NANONONA OLONA AMBONY...
Tao anatin’ny famotorana dia nisy voapanga nanao fihaikena (aveu) ka nitantara amin’ny antsipirihany ny zavatra nataony rehetra sy ny olona niaraka taminy nanao izany. Hamarinina kosa anefa fa tsy misy mpitondra na iray aza mbola voatonona ao anatin’io raharaha io, hoy kosa ny Tonia mpampanoa lalàna. Nambara fa tena tonga teto tokoa ny FBI, niara-nisalahy tamin’ireo mpikaroka fandikan-dalàna teto an-toerana, izay ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava no nanao an’izany. Efa any amin’ny fitsarana anefa isika izao, ka tsy afaka hiresaka betsaka mikasika izany. Zavatra hafa no tena resahana any amin’ny PAC, fa tsy famotorana savaravina intsony, hoy hatrany ny Tonia mpampanoa lalàna. Toa mampahatsiahy ny fitondran-draharaha tamin'ny raharaha Ambohimalaza ity resaka fihaiken-keloka sy tsy misy olona ambony tafiditra ity. Boeing miisa 5 be izao nolazaina fa hampiasaina aty Madagasikara dia tsy maharaka ny mpitondra ambony? Ny Air Madagascar efa novonoina sy ambany fitantanan'ny Fitsarana no mbola nanendrena mpitantana ambony satria nolazaina fa hampiasain'ny Airmad hanao sidina Iraisam-pirenena ireo Boeing 777 dia lojika? Dia tena ireo trondro madinika sy trondro salantsalany anaty fifehezan'ny mpitondra ambony ve no atidoha? Fampidirana angidimby tamin'ny propagandin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 aza zava-doza ny fahazoan-dalana izay nogejain'ny tany an-tampony ka amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny sampan-draharaha izay eo ambany fifehezana sy fibaikoan'ny mpitondra an-tampony handingana ny Lehibeny? Amin'ny fomba ahoana no hinoana fa tsy nahalala ny mpitondra an-tampony? Raha ny loharanom-baovao, amin’ny maha tafiditra anaty heloka iraisam-pirenena ny raharaha, dia tena hanenjena ny Amerikanina ka betsaka ny zavatra mety tsy ho ampoizina mety hitranga… Endrika iray mety isehoan’izany ny nidobohan’ny Tale Jeneralin’ny ACM na voalaza aza fa misy manam-pahefana ambony niaro mafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.