Miandry izay ataon'ny fitsaràna avo, izany hoe, «Haute Cour de Justice» na HCJ,
izay rafitra natao hitsara ireo manam-pahefana, ny momba ny minisitry ny fitaterana teo aloha, Monjavelo Valéry,raha ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Tsy maintsy ankatoavin'ny 2/3 n'ny mpikambana eo anivon'ny antenimieram-pirenena ny fiampangàna azy, raha ny voafaritry ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 moa izany. Vita izay vao mandray ny raharaham-pitsaràna ny HCJ. Tsy mbola nisy manam-pahefàna ambony mihitsy na dia iray aza notsaraina teo anivon'ny HCJ hatreto aloha, raha tsiahivina. Hisantatra fanameloha voalohany eo anivon’izany rafi-pitsaràna izany ve ity minisitra teo aloha ity sa hisantatra fahafahana madiodio ao? Isan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao izany amin’izao fotoana izao. Ny mikasika ilay raharaha Boeing 777, izay misy ifandraisany amin’ny firenena iranianina sy heverina ho mifono fiaraha-miasa amina mpampihorohoro iraisampirenena ihany, raha tsiahivina ihany, ity mahavoasaringotra an’ity minisitra teo aloha ity. Raharaha izay sarotra nefa ny hino fa tsy nisy tambazotra goavana ao ambadik’izany rehetra izany, indrindra, ny hoe tsy nahalala na inona na inona momba azy io ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra. Tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana miisa 33 ihany koa moa no voalaza fa nesorina tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ary ny praiminisitra Ntsay Christian dia tsy latsaky ny in-2 no nanamafy fa miantso ny FBI na Federal bureau of investigation, izay rafitra ara-tafika mpanao fanadihadiana amerikanina, ny tenany manoloana ity raharaha ity raha vao niandoha ny volana aogositra. Velom-panontaniana ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana izao hoe efa eto tokoa ve izany FBI izany? Raha fehezina tsotsotra, ara-tantara sy fanadihadiana samihafa, ny fepetra ara-kasa eo anivon’izany FBI izany dia rafitra natao isahana ny raharaha anatin’i Etazonia izy io tany am-boalohany no niitatra lasa afaka misandrahaka manadihady ireo raharaha ivelany ihany koa rehefa tsapan’ny fanjakàna amerikanina fa mila ny fanomezan-tanany ny CIA na Central intelligence agency, izay tena nampisahanina izay raharaha ivelan’i Etazonia izay tany am-boalohany, izany hoe efa lasa misy fotoana miara-miasa, noho izany, ankehitriny ireto rafitra miisa 2 ireto ary na ny FBI na ny CIA dia samy rafitra tsy mila antsoina izany rehefa misy tranga manohitohina ny fiandrianan’i Etazonia na raharaha anatiny io na raharaha ivelany. Heverina, noho izany, fa tsy ipetrapetra-potsiny na ionona fotsiny amin’ny fihetsiky ny fitondràm-panjakàna eto Madagasikara amin’izay resaka fanadihadiana izay ny fanjakàna amerikanina raha tsy tena mivaha araka ny ilàny azy ny momba ity raharaha Boeing 777 na «Triple 7» ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.