Raharaha "Boeing 777"

Inona marina no tanjona niantsoana ny FBI ?


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Tsy re tsaika mihitsy, tsy fantatra hoe ahoana sy ahoana ireo ambara fa olon'ny

Federal Bireau of Investigation (FBI) tonga eto Madagasikara. Herinandro izay no dila taorian:ny fanambarana fa niantso azy ireo ny fanjakana malagasy. Anisan'ny fanontaniana mipetraka ohatra ny hoe : fanadihadiana iraisana ve no atao sa manao ny azy manokana ny FBI ? Inona avy ireo angom-baovao sy antontan--kevitra nampitain'ny fanjakana malagasy tany amin'izy ireo ? Ny zavamisy rehetra ve sa. vaovao natao handetehana ireo olona roa (malagasy sy karana) lazaina fa atidoha nikotrika ny hosoka ? Iny efa nesorina iny moa ny minisitry ny fitaterana ny noferana tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara; misy olona hafa ihany koa re fa atao fanadihadiana. Maro ireo fanehoan-kevitra nivoaka na avy amina teknisiana, olon-tsotra, mpanao politika izay samy manizingizina fa bizna avo lenta iny raharaha fiaramanidina lasa any Iran nampisalorana vonjimaika laharana malagasy. Tsy mampino hoy izy ireo izany hoe olona 2 no niketrika samirery afera toa izany. Mipetraka ary ny fanontaniana: anisan'ireo atao fanadihadiana ve ny tale jeneralin'ny ACM, ny filohan'ny antenimierandoholona ? Hatraiza no mahatafiditra azy ireo na tsy tafiditra satria nahoana. Olona eo ambany fahefany ve izany afaka manao izay tiany amina fifampiraharahana iraisam-pirenena ? Ahoana no nahasahian'ireo olona ireo hiditra amina raharaha miaraka amin'ny Iraniana, efa fantatra tsara anefa ny toe-draharaha iraisam-pirenena. Raha fehezina ny resaka dia hoe : inona no nahamaika ny fitondrana Rajoelina hiantso ny FBI ? Te hampiseho ve ireo manampahefana ambony hoe madio (clean) ry zareo, tsy misy atahorana fa dia alefaso ry FBI ny fanadihadianareo ? Sa misy olona goavana arovana dia alefa haingana ny fanadihadiana iraisam-pirenena mba hanamafisana ny vesatr'ireo voampanga dia mijanona eo ny resaka fa tsy misy tohiny intsony ? Dia tahaka ireo karazana afera maizina rehetra nanolafana fanadihadiana fa tsy hita izay tena marina avy eo.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT