Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ilay resaka andramena mamofompofona kolikoly ka nisamboran’ny Bianco an’i Bekasy sy nitazonana azy teny Ambohibao.
Notondroina ho atidohan’ny mpanao trafika andramena mihitsy izy vao voasambotra sy tamin’ny nandefasana azy tany amin’ny fampanoavan’ny «Chaine pénale anti-corruption». Navotsotr’ity farany anefa izy fa hoe tsy ampy porofo ary dia nifanome tsiny mihitsy ny Bianco sy ny «Chaine pénale», ary diso fanantenana ny Alliance Voary Gasy, nitoroka. Ny namotsorana azy no ela dia nipoitra, tsy nanafin’endrika fa dia nabaribary teny amin’ny afisy propagadin’ny kandida Ben’ny tanànan’ny HVM tao Sambava tampon-tanàna ny sary sy ny anaran’i Bekasy. Fanohanana ara-bola ny HVM avy hatrany no mby ao an-tsain’ny maro eo anatrehan’izany. Izay ary ve no tambin’ny namotsorana azy teny amin’ny «Chaine pénale» ? Dia inona no hataon’ny Bianco ? Hitarina any amin’ny HVM ny fanadihadiana, sa hijanona ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana araka ny efa nanondroan’ny «Chaine pénale» azy, tamin’ny namerenana ny dosie any amin’ny Bianco ? Tantara mitohy.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.