Raharaha Base Toliara sy Bas Mangoky

Toherin’ny FIMA hatramin’ny farany


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Somary nangingina ilay fitrandrahana fasimainty nokasain’ny orinasa Base Toliara

ho natao tao amin’ny faritra Atsimo andrefana na distrikan’i Toliara II, hoy ny filoha lefitry ny FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy, Elia Rabevahiny. Voakasik’izay, hoy izy, hatrany amin’ny distrikan’i Morombe. Saha na “site” miisa 3 no nofaritan-drizareo hanaovana io fitrandrahana io, raha ny fantatra. Heno ankehitriny fa mafy be ny fanoheran’ireo mponina tompon-tany ny tetikasa ka dia tsy hanatateraka fitrandrahana indray izany ity orinasa ity. Miheritreritra hanao “terre rare” sy “monazite” indray ry zareo. Ho ataony amin’ireo “site” miisa 3 ireo ihany ve izay sa toeran-kafa? Ireo akora miisa 2 kasain-drizareo ho trandrahana hasolo ilay fasimainty ireo anefa iaraha-mahalala fa mbola ambony kokoa ny tahan’ny antsoina hoe “radioactivité” avoakan’ireo. Fasimainty aza ve toherinay ka mainka fa ireo? Tsy maintsy hitohy, noho izany, ny fanoheranay io tetikasa io. Tsy ny fampandrosoana no olanay fa raha fitrandrahana harena an-kibon’ny tany andeha hamono ny mpiray tanindrazana na hanala ny mpiray tanindrazana eo amin’ny taniny dia tsy azo ekena kosa! Betsaka ny sosokevitra efa narosonay hampandrosoana iny faritra iny. Ny faharoa moa dia ny mikasika ilay P2 na “périmètre” Bas Mangoky. Iny koa dia hoe misy olona ho esorina amin’ny taniny dia misy olona vaovao tsy tompon’ny tany fa manam-bola nividy ny tany. Ireny indray no misitraka ny tany fa ny tompon’ny tany izay nanajary nandritry ny taona maro hatramin’ny razambeny ho ailika. Fantatra ankehitriny fa misy olona miisa 3 notorian’ny fitondram-panjakana any an-toerana. Misy 3 any am-ponja, 3 aty ivelany miandry ny fitsarana azy, ny 1 afaka madiodio fa izy ireo dia samy notoriana ho namotika fananam-panjakana. Rehefa jerena nefa dia hita fa tsy mitombina ary tsy nisy akory izany fa ireo olona ireo dia nijoro hatramin’ny farany hanohitra ilay antsoina hoe CAT na “Commission d'attribution des terres”.Io moa izany no ampisahanin’ny talem-paritra Atsimo andrefana sy ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanajariana ny tany hitsinjarana ny tanin’olona. Ireo CAT ireo izany no azo antsoina hoe mpanera manala ny olona amin’ny taniny dia manome izany ho an’olon-kafa. Tsy azo ekena ny tsindry hazolena toy izany. Nivaky moa ny ben’ny tanàna fa ny lehiben’ny faritra Atsimo andrefana no ambadik’ilay fitoriana rehefa nofotopotorina ny resaka. Antsoavo no ataonay amin’ny fitondram-panjakana mba tsy hamela fotsiny amin’izao ny tomponandraiki-panjakana tafiditra anatin’izao raharaha izao. Efa nisy ny hetsika nataonay tany an-toerana, raha ny mikasika ny Base Toliara fa ny mikasika ny Bas Mangoky indray dia efa nanao hetsika koa ireo mponina any. Hiezaka hidina any an-toerana izahay ato ho ato hankahery ireo mponina sy hanampy azy ireo amin’izay tolona iaraha-manana izay. Faritra midadasika izany Atsimo andrefana izany. Mpamboly, mpiompy, mpihaza ireo ka inona ary no manakana ny fitondram-panjakana tsy hamoaka tetikasa hanampy ny olona anatin’izany sehatra izany, hoy hatrany ny FIMA?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT