Mihorohoro amin’ny fananganana ny Voromahery nataon’ireo mpomba
ny Base Toliara sy ity fitondràna ity ireo mponina voakasik’ity tetikasa ity amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavàn’ny Fikambanana Masikoro Arivolahy na FIMA omaly. Natsangana hampihorohoro sy hampitahotra ireo manohitra ny tetikasa izany, hoy izy ireo. Tsy ekena izany satria mampiady ireo mponina. Tena tsy mifankahazo sy mifanenjika izao ireo mponina satria ampiadiana mihitsy ireo mponina ao Ankilimalinike mba hahafahan’ilay tetikasa Base Toliara mitohy. Milisy ilay Voromahery. Izay no anton’ilay fiantsoanay famondronan-kery. Tsy ho an’i Base Toliara irery fa ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna rehetra eto Madagasikara. Ho lasa fomba fanao izany io fananganana milisy amin’ny toerana misy fitrandrahana tsy ankasitrahan’ny mponina io intsony. Atao inona intsony moa izany mpitandro filaminana raha izany? Olan’ny faritra atsimo io anio fa mety hiparitaka amin’ny faritra hafa rahampitso. Misy fifanampiana amin’ny maha olombelona efa ataonay ho an’ireo voatery mitsoaka any anaty ala noho ny fiarovana ny tanany. Tsy ho lazaina eto izany, noho ny mety ho famadihan’ny sasany resaka indray entina ilazàna fa izahay dia mamatsy vola atsy na aroa. Tsy misy izay tsy mahafantatra ny trafika ataon’ny lehiben’ny Voromahery ao amin’ny faritra Atsimo andrefana ka lasa mpiaro mpanao trafika ve ny fitondram-panjakàna, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija Sary fanehoana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.