Raharaha asa tamina tsenambaro-panjakana

Natao famotorana i Tsiliva, mitaky ny volany ny mpitory


  • Talata 06 Aogositra 2024

Misy fivoarany ny fitorian’Atoa Maharesy Roi Francis tompon’ny orinasa ETS AR Business ny depioten’i Morondava

teo aloha Christophe Tsiliva Didiot, raha ny fanazavana nentin’ny mpitory. « Manoloana ny fampijaliana tiany hatongavana dia natao famotorana ny 17 jolay 2024 izy satria notoriako tany amin'ny fitsarana ka nisy ST (soit transmis) nalefan'ny fitsarana ao amin'ny Sampam-pikarohana heloka bevava na « Section des Recherches criminelles » Antananarivo maniraka ny hanamborana azy. Noho ny maha depiote azy moa dia tsy mbola natao ny famotorana, ka tamin’io 17 jolay io vao vita », hoy Atoa Maharesy Roi Francis. « Mitotaly Enina hetsy sy iraika amby dimampolo tapitrisa ariary na 51.600.000 ariary ny vola any aminy amin'izao ka io mihitsy no hanaovany teti-dratsy hampiasany hafetsifetsena isan-karazany », hoy hatrany ny fanazavana nentin’io mpandraharaha mahatsiaro ho lasibatra io. Raha hiverenana, resaka fifanarahana arak’asa mombana tsenan’asam-panjakana fanamboarana EPP Manara-penitra misy efitra 2 any amin’ny Kaominina Betsipolotra Distrikan’i Miandrivazo Marché N°8-MS/MEN/PRMP//TVA 20, izay miteti-bidy 146 120 286,00 Ar no antony. Ny volana janoary 2020 no nivoaka ny antso tolo-bidy. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny depiote Tsiliva sy Atoa Maharesy Roi Francis, fa ny orinasan’ity farany ETS AR Business izay ao amin’ny faritra hanaovana ny asa no hampiandraketina ny asa izay azon’ny ETS Tsilavo (contrat de sous-traitance) satria somary mitoka-monina rahateo ny any Betsipolotra. Nahazo toky tamin’ny depiote Tsiliva, ary misy ny taratasy nifanaovana, raha ny fanazavana tamin’izany. Vao mandeha misy 20% ny asa dia hivoaka ny vola, raha ny fifanarahana, saingy tsy arakarak’izany ny tena zava-mitranga raha ny fanazavana efa nentin’ity farany. Ny jolay 2022, nangataka ny hanefan’Atoa Tsiliva mpisolo tena ny ETS Tsilavo 40 128 900 noho ny vola efa natontony tao sy ny tokony ho zanany (marge bénéficiaires) 30% noho ny fihitsohan’ny volany tsy afa-mihetsika tao Atoa Maharesy Roi Francis. Raha tsy horaisin’ny ETS Tsilavo ny asa, dia 87 093 000 Ar no nangatahany amin’io orinasa solon’ny depiote Tsiliva io tena hamitana ny asa tamin’ny jolay 2022, raha ny fanazavany tamin’izany. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT