Raharaha mbola hitohy eny amin` ny ministeran` ny fitsarana ny raharaha Arphine Rahelisoa, mandrapisian` ny fanapahn-kevitra izay mifandraika amin`ny resaka nataon` ny filohan` ny Repoblika farany teo, hoy Lalatiana Andriatongarivo.
“ Mankasitraka ny fanapahan-kevitra no raisin` ny filohan`ny Repoblika amin`ny famoahana ireo mpanao gazety any am-ponja. Marihana fa mpanao gazety iray ihany no any am-ponja dia Arphine Rahelisoa” izany. Tsy resaka asa fanaovan-gazety akory no nidirany am-ponja fa resaka heloka toa an` ny olon-drehetra (droits communs)”hoy izy. Nampatsiahy ny ministra fa vao nitranga ireny raharaha dia nanao fanambarana ny ministeran` ny serasera sy ny kolontsaina niteny fa miandrandra ny fahafahan`ny mpanao gazety misitraka fahafahana vonjimaika. Tafita ny hafatra ary manana raiamandreny tokoa isika, hoy ihany izy. Nomarihany kosa fa mbola tsy voatsara ary tsy mbola azo lazaina hoe meloka ity mpanao gazety ity. Ilay endrika hitondrana ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena no hitondrana izay amin`ny hoe misintona ny fitoriany ny fanjakana Malagasy satria izy ireo no nitory. Miankina amin`ny fanapahan-kevitra farany ho raisin` ny ministeran` ny fitsarana no hamantarana ny fiafaran` ity raharaha ity, hoy hatrany ny fanazavana
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.