Raharaha Antanandrano

«Tokony hiakatra fitsaràna anio»


  • Talata 13 Aogositra 2024

Ny janoary 2024 teo no nampiditra «Cassation» na fampitsaharana didy indray ny orinasa

Telma S.A na dia efa fantany aza fa tsy tokony azo hanaovana izany intsony ity ady ity satria lasa ady miverimberina lava na misy «bis idem» foana, hoy ny solontenan’ireo mpandova, Bruno Ravelonanosy. In-3 niakatra fitsaràna an-tampony na «cours suprême» izany izao, hoy izy. Aditany iray in-3 miakatra fitsarana an-tampony izany efa tsy aditany intsony no anarany fa efa tsy rariny. Miakatra «Cassation» izany izy izao. Efa tamin’ny janoary no efa henonay hoe tokony handeha izany «cassation» izany. Niandry izahay hatramin’ny febroary noho nankaty. Tsy hita ihany. Mahita izahay amin’ny haino aman-jery fa miasa ramatoa minisitry ny fitsaràna. Hita amin’ny zavatra ataony izany ary isaorana azy ny zava-bitany amin’ny vahoaka malagasy maro eto amin’ny firenentsika. Nilaza tamina haino aman-jery iray ny talen’ny kabinetrany tapa-bolana lasa izay hoe ny antom-pisian’ny fitsaràna dia «arbitrage» na fandajàna ny aditany ataon’ny mpifanandrina. Manafaingana ny aditany rehetra mandeha ao amin’ny fitsaràna izahay, hoy io talen’ny kabinetra io, amin’izao fotoana izao. Rehefa vonona hoy izy ny mpifanandrina, izany hoe, samy manome fehin-teny ny andaniny sy ny ankilany, dia mamoaka didy mifandraika amin’ny rariny sy hitsiny amin’izay no asan’ny fitsaràna. Efa ela izany izao, raha ny anay, no samy efa nametraka fehin-teny ny mpifanandrina. Efa rariny sy hintsiny loatra izany, raha avoaka ny didy. Nametraka fitarainana na «doléance» manerana ny minisitera rehetra izahay izao. Eo ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, izay misy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na «domaine», ny minisiteran’ny fitsaràna, ny «cours de cassation», izay fampitsaharana didy, ny antenimieram-pirenena, ny antenimieran-doholona, ny minisiteran’ny atitany hatrany amin’ny kaominin’Ankadikely Ilafy. Miantso ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina izahay, rehefa niara-nivory tamin’ny tompon-tany rehetra, amin’ny maha raiamandrenin’ny malagasy azy eto Madagasikara, mba hijery akaiky ity raharaha ity sy hiteny ireo manam-pahefana ambany fahefany mba hamoaka amin’izay kosa ilay didy tokony hisy ny tena rariny sy hitsiny ary marina amin’ity raharaha efa nihoatra ny 20 taona ity no niandrasanay azy. Mahantra eto amin’ny tanindrazany ny tompon-tany. Ny maty efa maty. Maro amin’ireo mpandova ireo no tsy mahavita mitsabo tena, mamelona ny vady aman-janany, mampiana-janaka sy ny rehetra satria ohatran’ny tany nahalavoana ilay tany. Mampalahelo sy mahavaky fo ilay izy satria tena hoe ny an’ny tena no hananan-doza. Misy taminay ireo no efa nampidirina am-ponja aman-taonany ary tena hoe atao mihitsy izany izay hamonoana anay an-kolaka ao anatin’ilay ady rehetra. Mbola matahotra izahay hatramin’izao satria tsy hay indray izay hahazo rahampitso sy rahafakampitso aorian’izao fanehoan-kevitra izao, hoy hatrany ny tenany. Raha ny fampahafantaran’ireto milaza azy ho mpandova ireto farany moa dia tokony hiakatra fitsaràna anio talata 13 aogositra 2024 indray ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

Hijery ny tohiny
FTT