Raharaha Antanandrano

«Mila migoka ny tsiron’ny taniny amin’izay ireo tompon-tanindrazana»


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Efa miverina aminay sy ireo olona efa nividy tamin’ireo tany ireo tanteraka ny tany rehetra eny

Antanandrano mirefy 30ha, araka ny didy nivoaka ny alatsinainy 27 novambra 2023, hoy ny solontenan’ireo tompon-tany etsy Antanandrano, Bruno Ravelonanosy. Ny didim-pitondrana laharana 24-08/CATNR/CIV/23 tao amin’ny fampanoavana na «cours d’appel», hoy izy, no namoaka ny didy. Ilay fanefana didy na «cassation» izany no andrasanay izao satria manana «juridique» na famaritan’ny fitsaràna izahay amin’izao fotoana izao, izay mbola misy «prénotation» na fanamarihana mialoha. Ezahina esorina izany izao ireo «prénotation» ireo. Tsy afaka nefa ilay «prénotation» raha tsy tapitra tanteraka ilay ady. Izay no mahatonga anay miandry ilay didy eny amin’ny «cassation» izay tokony efa nivoaka ny febroary 2024 teo. Efa volana aogositra isika izao, mbola tsy mivoaka ihany ilay didy satria hoe mbola mandinika, hono, ry zareo. Niteny tamin’ny filohan’ny fitsaràna tao moa izahay hoe efa nanana 14 taona ianareo, raha ny amiko manokana, nandinihana io dosie io dia mbola ho ampianareo ohatran’ny ahoana indray izany? Namaly ahy moa izy hoe efa nahandry 14 taona ihany ianao dia mba mandrasa kely. Namaly indray aho hoe izahay tena tsy mahandry intsony satria tena efa ela loatra niandrasana. Efa mila migoka ny tsiron’ny taniny amin’izay ireo tompon-tanindrazana rehetra izay mbola velona amin’izao fotoana izao. Amin’ny 13 aogositra izao, raha ny feo heno, no andeha ny fotoam-pitsaràna. Tonga dia hivoaka eo ve ny didy sa mbola hisy fampiakarana indray? Maheno feo koa izahay fa ho atao sady maharesy no resy. Ny dikan’izay ve izany dia hoe mbola hitarina amina ady vaovao indray ilay raharaha? Niteny tamin’ny filohan’ny fitsaràna moa izahay hoe mba jereo ny mpiray tanindrazana aminao satria tsy rariny loatra raha tompon-tanin-drazana, eo amin’io tany io mihitsy ny fasan-drazany, no hoe atao ohatran’izao nahazo anay izao nandritry ny efa mihoatran’ny 20 taona. Misy tsindry mandeha ve ao anaty fitsaràna ao amin’izao fotoana izao? Misy ramatahora ve? Voizina foana nefa hoe mahaleontena ny fitsaràna. Mba hanontanio ilay orinasa Telma S.A hoe aiza ny taratasy mahatonga anareo miady an’io tany io mandritry ny 20 taona hoe novidianareo tamin’iza io tany io na iza no nolovainareo tamin’iza? Izahay manokana aloha dia tsy nivarotra io tany io tamin’ny orinasa Telma S.A ary tsy hanome azy mihitsy an’io tany io fa vonona ny hiaro hatramin’ny farany ny taninay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT