Actualités

Raharaha Anosipatrana Nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana ny MBS


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ny mpisolovava ny Vondron’orinasa MBS Maitre Eloi Ratefimahefamijoro eo anatrehan’ny fanomezan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo fe-potoana 6 volana hanesorana ny MBS eny Anosipatrana.

 

 

Nambarany fa fandikan-dalàna, fanapahan-kevitra samirery noraisin’ny ben’ny tanàna io satria tsy nampandalovina teo anivon’ny Filankevitra Monisipaly. Niainga tamin’ny fandaniana teo anivon’ny Filankevitra Monisipaly ny fifanarana, 50 taona ny faharetan’io “bail amphytéotique” na fampanofana tany. Na ny CUA na ny MBS dia tsy maintsy manaraka ny fifanarahana, hoy io mpisolovava io. Nambarany fa na ny teo aloha aza no nanao izay fifanarahana izay, dia tsy maintsy manaja izay ny mpitantana aty aoriana. Tsy najaina ny voaraikitry ny fifanarahana, ary tsy teo anivon’ny Filankevitra monisipaly no nandraisana ny fanapahan-kevitra hanala ny MBS, ka tsy manaja ilay “parallelisme de forme”, hoy ny fanazavana ara-teknika. Sarotra ho an’ny MB ny hiala, ary ny antony dia hoe famerenana, kanefa fantatsika tsara fa nisy ny fotodrafitrasa nananganana ny MBS, izay lasibatry ny fandorana sy fandrobana tamin'ny 2009. Vao manomboka miarina dia io indray fa mipoitra ny fanapahan-kevitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina, hoy ny fanehoan-kevitr'io Mpisolovava io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT