Mbola mitarazoka ny raharaham-pitsarana ny tranga teny Ambohimalaza.
Efa tamin'ny 8ora maraina no nantsoin'ny mpisolovava azy ireo ny fianakavian'ny mana-manjo omaly, saingy tsy tena nisy zavatra nisongadina. Ity farany sy ny reniny izay notorian’ireo fianankaviana namoy havana. Izy ireo izay mbola mitaky hatrany ny hivoahan’ny tena marina. « Tsy hita marina hoe inona marina no nahafaty an’ireo ankizy. Misy ireo tompon’andraikitra izay tsy maty ka mbola azo henoina tsara dia i Fenohasina sy ny reniny, izay notorianay. », hoy ny Raim-pianankaviana iray. Mitaky hatrany hamoahana ny marina ireo fianankaviana. Tsy mbola tazana teny amin’ny Fitsarana hatrany kosa i Fenohasina. Andaniny, maro ireo mpisolovava hanampy an-tsitrapo ireo fianakaviana teny amin'ny fitsarana Anosy, ho firaisankina. Narirarirara tsy navela niditra ny mpitory, nasaina nanao lisitra avy eo, ary 2 tamin’ireo mpitory no nohenoina nandritra ny fampanoavana omaly raha ny vaovao farany ny takariva. Mbola hitohy anio ny fihainoana ny mpitory. Mitaky ny hampahafantarana azy ireo ny valin’ny fitiliana ireo havan’ny maty. Tsy hampiverina ny maty, fa kosa mba tokony ho fantatry ny fianakaviana ny valin’ny fanadihadiana samihafa na tsy hampahafantarina ny besinimaro aza, hoy hatrany ny antso avo. Andaniny, mikasika ireo olona mbola tsaboina, dia nisy iray nivoaka omaly, dia ny vadin’i Tiavina, isan’ireo namoy ny ainy. Teratany Malagasy iray monina any ampitan-dranomasina ihany koa no nilaza omaly hoe : Nisy « enregistrement vocal » na horonam-peo tamin'ny findain'iray amin'ireo olona efa tanana vonjimaika any Antanimora manao hoe: "... Afafazo any akia rehefa tsy hitan-dry izay hanaovana azy ah...". Asa izay fahamarinany, fa tany am-piandohana sy tapa-bolana lasa teo izay dia niteny ny mpampanoa lalàna, fa fantatra tamin’ny alalan’ny resaka nifanaovana tamin’ny finday ny andraikitry ny tsirairay tao anatin’ny raharaha sy ny hoe : mbola hisy finday halaina sy olona hanaovana fanadihadiana. Petra-kevitra sy fanontaniana tsy mety voavaly ihany koa anefa ny hoe : tena tranga samihafa ve ny teto Antananarivo sy tany Ambositra ? Fanamarihana hafa ihany koa ny voalaza fa fisiana sarin’olon-kafa tao amin’ny hopitaly izay nolazaina fa Fenohasina, izay vao mainka mampitombo ny ahiahy mikasika ny tsy fisiana mangarahara. Asa hanao ahoana no hiafaran’izy ity ? Tena hivoaka ve ny marina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.