Actualités

Raharaha Air Madagascar Mpiasa 6 indray no hiakatra fitsarana anio


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Fanomezana taratasy fiantsoana sy fampahafantarana ny ho tohin’ny raharaha no nataon’ny polisy ekonomika ireo mpanamory 5 sy teknisianina 1 avy ao amin’ny Air Madagascar omaly fa tsy nisy ny fakana am-bavany

 

. Efa nalefa eny amin’ny fitsarana ny dosie momba azy ireo koa dia hiatrika ny fampanoavana ka atao fanadihadiana izany izy ireo anio maraina, araka ny fanazavan’i Me Willy Razafinjatovo mpisolovava azy ireo. Tsy fantatra mazaka kosa na voaantso atao vavolombelona na horaisina tahaka ny mpiray tsikombakomba amin’i Rado Rabarilala izy 6 mirahalahy ireto. Niampangana ity mpanamory delegen’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar ity moa ny hoe fiombonan-jiolahy, fisomparana ara-toekarena ary fampielezana vaovao tsy marina. Fantatra fa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny talata lasa teo ihany koa ny taratasy laharana 1240-310 mitondra ny datin’ny 29 jona ka mandroaka an’i Rado Rabarilala sy olona 3 hafa tsy ho mpiasan’ny Air Madagascar intsony. Tsy ara-dalàna tanteraka izany fandroahana izany satria tsy nanontaniana ny hevitry ny « inspection du travail » izay tokony hanana 45 andro handinihana sy hamaliana, hoy ireo mpitarika sendikaly teny Anosy omaly.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT