Raharaha adina an-tsoratra

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana


  • Alarobia 13 Mey 2026

rehetra nataony ilay «agent de reprographie»»

Ny 26 may izao no andrasana ny didim-pitsaràna mikasika ilay raharaha fanadinam-panjakàna teo anivon’ny Sekoly ambony momba ny fitsaràna sy firaketàn-draharaha na ENMG, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly nandritry ny fiakaran’ity raharaha ity teo anivon’ny Sampam-pitsaràna ambony miady amin’ny kolikoly na ny PAC. Tonga niatrika izany fitsaràna izany avokoa, ireo voakasika, hoy ny fanazavàna. Ilay raharaha adina an-tsoratra natao ny 16 martsa teo moa no antom-pisian’ny fifampitoriana. Naharitra ora 3 teo ho eo ny fakàna am-bavany ireo olona miisa 6 voarohirohy. Isan’ny nanazava tamin’ny antsipiriany ny fizotran’ilay fifaninanana ny tale jeneralin’ny sekoly. Tsy avy amina tambazotra ny fivoahan’ny laza adina mialoha fa mazava hoe nandeha irery na «acte isolé» satria rehefa jerena ny dingana rehetra nizoran’ilay fifaninanana dia sarotra be ny hahafahana manao izany mialoha. 2 na 3 andro mialohan’ny fifaninanana tsinona vao ilazàna ireo tomponandraikitra natao hikarakara izany hoe ianareo no mikarakara azy. Isan’ny naha ela ny raharaha koa ny fihainoana nifandimby ireo mpisolovava saingy ny votoatiny dia hoe ilay «agent de reprographie» na ilay mpanaparitaka laza adina no nanaparitaka ilay laza adina tamina olona miisa 4 ihany. Tsy nilaza koa ireo olona miisa 4 ireo hoe nanaparitaka izany laza adina izany amina olona hafa fa azy 4 ihany. Tsy nisy afaka ireo olona ireo. Miandry ny fivoahan’ny marina aloha ireto mpianatra nifaninana ireto, voalohany indrindra. Raha tsy nisy ny adisoan’io olona iray io dia mba mety efa nitohy ny dingana tamin’ilay fifaninanana. Mbola nanizingizina ny tale jeneralin’ny sekoly fa adalàn’olona iray ihany izy iny. Miisa 196 ireo mpifaninana lasibatr’ity raharaha ity. Niaiky ny adisoana rehetra nataony ilay «agent de reprographie». Izany fiaikena na «aveu» izany no atao hoe «règne de toute les preuves», izany hoe ambony indrindra amin’ny porofo rehetra raha resaka ady heloka na «pénal» no resaka. Aoka tsy ho ireo mpiadina miisa 196, noho izany, no hizaka ny adisoan’olona iray. Tokony hitohy no dikan’izany ilay fifaninanana. Madio no dikan’izany ny lisitra navoakan’ny minisitera mikasika ireo afaka tamin’ilay adina an-tsoratra vita teo. Tokony hiditra amin’ny adina am-bava izany izao. Anatra izaofa zava-poana ny fanaovana halatra amina fanadinana toy itony satria rehefa tsy mahay dia tsy afaka ihany izy 4 na nahita laza adina mialoha aza. Mila fifantohana koa nefa ny manao fanadinana satria na mahay tahaka ny inona aza ka sanatria marary, ohatra, mandritry ny andro fanadinana na miatrika fahoriana dia mety tsy ho afaka akory. Hiangaviana, noho izany, ny hitohizan’ny fifaninanana, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

  • PR JOSEPH- NAIVO RAHOLDINA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nentina nanakomana ny

Hijery ny tohiny
FTT