Afera iray vaky indray io ny raharaha tsenan’asam-panjakana N°059-PRM/SG/PRMP/UGPM-2019, mahakasika asa fanavaozana sy fametrahana “muséographie” ao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana.
Ny volana novambra 2019 no voasoratra fa hanombohan’ny fotodrafitrasa, ary 180 andro no fahavitan’ny asa, ka ny orinasa Présence France no voalaza fa nahazo ny tsenan’asa. Volabe 2 080 000euros na 8 378 240 000 miliara ariary no voalaza fa sandan’ny asa. Rehefa jerena ny mombamomba ilay orinasa Présence France io, dia mpisehatra amin’ny tontolon’ny dokam-barotra, fa toa tsy misy ifandraisany velively amina vakoka sy fotodrafitrasa. Nisy antso tolo-bidy mazava ve tamin’ity raharaha ity, izay tena volabe tsy toko tsy forohana no miodina ao anatiny? Tena mitombina sy azo antoka ve ny fandaniana sa mety ho fandrobana an-kolaka ny volam-panjakana? Raha ny lojika, dia ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tarihin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy no miantsoroka sy mandrindra ny raharaha fanarenana sy fanavaozana ny Rova, ary mety ho voasaringotra ao anatin’io ity minisitra ity. Vao tapa-bolana izay no nesorina noho ny afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary ny minisitry fanabeazana teo aloha Rtoa Rijasoa Andriamanana Josoa ka mety hizotra amin’izay làlana izay Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, raha mitovy ny fepetra raisina. Tamin’ny raharaha “bonbons sucettes” dia tsy nisy fiandrasana fanadihadiana na mitombona io na tsia fa tonga dia niongotra, na nisy aza ny tompon’andraikitra tao anatin’ny governemanta naneho tato aoriana fa mbola tsy nivoaka tamin’ny kitapom-bolam-panjakana io volabe io. Ny famoaham-bola 200 tapitrisa noho mihoatra rahateo, dia tokony mandalo fankatoavan’ny Filoham-pirenena. Harendrika toa ny Minisitry ny fanabeazana ve ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sa hisy ny fiarovan’ny Filoha na ny firaisankinan’ny governemanta hiara-hitsangana hiaro azy eo anatrehan’ity raharaha toa avo lenta vaovao ity? Mbola tsy niteny sy naneho hevitra momba io raharaha io ny Minisitra ny kolontsaina na koa ny mpiandraikitra ny tsenan’asam-panjakana na ny PRMP, ka andrasana izay mety ho fanazavana mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.