Actualités

Raha tsy mivaha tapa-bolana ny delestazy


  • Talata 18 Jolay 2023

Ny minisitra sa ny Filoha mihitsy no tokony hiala ?

1400 miliara Ariary ny famatsiam-bola omena ny Jirama,… Afaka telo herinandro tsy misy delestazy intsony, farafahatarany », io no isan’ny teny nataon’ Andry Rajoelina nandritra ilay fandaharana manokana nataony ny alin’ny alahady lasa teo. Tsy vao sambany no nilazana tahaka an’io, fa efa nisy an’ilay tamin’ny propagandy 2018 hoe: tao anatin’ny 60 taona 400MW no nataon’ireo mpitondra nifanesy fa izaho hanao 400MW ao anatin’ny 5 taona,… Ny tamin’ny janoary 2022 hoe: mila miaritra kely 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy; ny tamin’ny volana may lasa teo indray hoe: amin’ny zoma na alakamisy farafahatarany; ary io indray ny tamin’ny alahady 16 jolay nilazana afaka telo herinandro farafahatarany. Mbola azo lazaina ho tenin’olona matotra sa kabary valamaty na ilay antsoin’ny vahiny hoe: “démagogie”? Raha nanana vahaolana ao anatin’ny 3 herinandro, dia hiandry aty amin’ny iray volana sy tapany tsy hialana raha ho kandida ve no hivoaka ny vahaolana? Sa ho vonjy tavanandro tahaka ny hita hatramin’izay, toy ny andro fety mba milamina anatin’ny roa andro? Henjana ilay filalaovana saim-bahoaka, nenjehina fatratra ny fitondrana tany aloha, nanaovana kabary politika ny hoe: tsy misy intsony ve ny delestazy, hofoanantsika ny delestazy,… kanefa amin’izao tena lasa “delestazy foana foana”. Hahavita fahagagana ve ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ao anatin’izay telo herinandro izay? Atoa Solo Andriamanampisoa izay efa Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama sady nitantana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) no natao minisitra. Jirama fotsiny aza no nisy azy, tsy nahitany vahaolana mainka fa tonga minisitra? Ny SPM dia hividy mivantana ireo entana ilaina andavanandro ka anisany ny solika no nananganana azy mba hividianan’ny Fanjakana mivantana sy tsy hisian’ny fanararaotana noho ny antanan-tohatra maro fa moa nahomby? Samy miandry an’ilay 3 herinandro indray ka sao dia tokony hatao tahaka ilay RN13 hoe: tsy hanao politika ary hiala tsy ho Filoha aho raha tsy mivaha ao anatin’ny telo herinandro ny delestazy? Hafatratra any amin’ingahy Andry Rajoelina sa any amin’ingahy Solo Andriamanampisoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT