Raha tsy mivaha ny olan’ny angovo

«Tsy hisy ho voasarika hampiasa vola eto izany!»


  • Talata 27 Aogositra 2024

Ny olan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy izay mahatonga ny firenena ho latsaka an-katerena amin’izao

fotoana izao, hoy ny antoko politika Fiombonana, dia miteraka ihany koa tsy fandriampahalemana, olana ara-tsosialy maro, raha tsy hiresaka fotsiny ny tsy fahampian’ny vola hanomezana vatsim-pianarana ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, izay mikaikaika, amin’izao fotoana izao. Mampametra-panontaniana amin’ny fitondram-panjakana izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, hoe ahoana no ahafahana mamaha ny olana eto amin’ny tany sy ny firenena? Vahaolana no arosonay, raha ohatra ka tena hampitombo ny resaka fampananana asa ny fitondram-panjakana, dia mila mifantoka amin’ny sehatra na «axe» faharoa amin’ireo praogramam-panjakana napetrany na PGE izy. Izany hoe ahoana no ahafahana misarika ireo mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto Madagasikara amin’ny alalan’ilay hoe fampiroboroboana indostria? Betsaka tsinona ireo akora hananantsika eto Madagasikara saingy misalasala ireo mpampiasa vola vahiny satria ilay «climat d’investissement» na fitoniana hampiasa vola mihitsy no mbola tsy mipetraka. Etsy ankilany ny olan’ny angovo. Tsy hisy ho voasarika hampiasa vola eto izany, raha tsy mivaha ny olan’ny angovo. Hiarahantsika mahita nefa fa tena latsaka an-katerena amin’izao fotoana izao ny JIRAMA, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT