Actualités

Raha ny eritreritry ny CRN dia hanatrika ny fihaonambe momba ny fampihavanam-pirenena


  • Talata 29 Jolay 2014

ny 20 aogositra ho avy izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay mbola mihitsoka any Afrika atsimo hatramin’izao ary tsy mbola manana pasipaoro ihany koa. Olona 4 no naratra, ny 2 tena voa mafy vokatry ny fipoahana sambo kely iray antsoina hoe TSY KIVY 7 tao amin’ny seranatsambon’i Nosy Be omaly alatsinainy. Kaontenera iray ihany koa no nipoaka vokatr’ilay firehetana. Tsy mbola fantatra hatramin’izao izay antony nahatonga ny loza.

Mety ho tapaka tanteraka ato ho ato ny lalana mampitohy an’I Moramanga sy Anosibe an’ala vokatry ny fihotsahan’ny tany. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny fanamboarana lalana ireo olom-boafidy any an-toerana.

 

Tsy tsara intsony raha ny mpanao politika no mitantana ny kaominina fa tokony

hovaina mpampianatra amin’izay raha te handroso. Fanehoan-kevitr’Atoa Raberahona

Andriamananoro izany raha nilaza ny fahavononany hilatsaka hofidina ho ben’ny Tanàna

ao Ambatomarina distrikan’i Manandriana ny tenany. Manana vahaolana mahomby

hahazoan’ny mpampianatra sy ny mpianatra tombontsoa izy. Efa misy koa ny vahaolana

narosony hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana.

 

Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny ady atao amin’ny trafikana boaderozy sy ny ady amin’nyfahantrana  i Chine araka ny filazan’ny masoivohony eto amintsika Atoa Yang Min.Vonona hanampy antsika eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny fotodrafitrasa ary ny angovo ihany koa ity firenena ity.

 

Ny taranja Malagasy no nanombohana ny Bepc omaly. Mikasika ny fahafatesana ny lahatsoratra. Ny voamariky ny mpiandry ny fanadinana dia niaritra hatramin’ny farany ireo mpiadina. Ny antony, ilay fanontaniana : “ Inona no fomba fiarahabana ny olona avy teraka tsy nahazo zaza ?”. Valiny : arahabaina fa tsy nanao takalo kely na tsy nanambaka ny ain-dehibe. Ny Svt ny hariva. Ny matematikaindray anio maraina no hanombohana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT