An-dalana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny ka ilaina fitandremana tanteraka izany, hoy Rafolisisoa Hanitra, filohan’ny «Union Nationale Malagasy des Droits Humains».
Tena saro-pady sy manahirana ny fitantanana firenena mivoaka amin’ny krizy lavareny tahaka ny iainantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ireo mety ho zava-manahirana rehetra eo anivon’ny fiarahamonina, ohatra, dia ilaina hitadiavana vahaolana avy hatrany mba tsy hampiitatra izany ka hiteraka olana hafa indray. Raharaha goavana ilaina vahana haingana toy ny fifanolanana teo amin’ny fanjakana sy ny mpanao gazety ihany koa ireo karazana fitakiana mitranga tsikelikely ankehitriny. Tsy tokony ho ny tompon’andraiki-panjakana no fototry ny fanakorontanana eto amin’ny firenena fa ho modely kosa amin’ny fampanjakana ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Midika izany fa andraikitry ny mpitondra fanjakana ny mandamina ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Mahita ny filohan’ny fiombonam-pirenena Malagasy momba ireo zon’olombelona fa tena laharam-pahamehana ny firosoan’i Madagasikara amin’ny tena fampihavanam-pirenena. Fitaovana sarobidy afaka manampy amin’ny fanatanterahana izany ny fanajana lalàna ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.