Nanao antso ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara fa maika ny fanavaozana ny rafitry ny fonja eto amintsika.
Na ny resaka rafi-pitantanana, na ny foto-drafitrasa izay efa nolazoin’ny taona maro, na ny famonjana izay efa tsy manaja izany zon’olombelona izany noho ny hamaroan’ireo voafonja tafahoatra dia samy mila vahaolana maika avokoa. Ny tsikaritra, hoy ny fanazavan’izy ireo, dia vokatry ny kolikoly mateti-pitranga eo anivon’izay sehatry ny famonjana izay no tena fototr’ireny zava-misy ireny. Araka ny fampahafantarana farany moa dia efa miroso amin’ny fijerena izay fomba hanafainganana ny fitsarana ireo voafonja izay ny eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.