Actualités

Rafitra LMD Mila fotoana ny fifehezana azy


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Sarotra ny lalan-kizorana ahatongavana amin’ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny rafitra «Licence-Master-Doctorat».

Na ireo firenena lehibe efa nampihatra azy tao anatin’ny taona maro aza dia mbola mitady ny hevitra rehetra hifehezana ity fomba fampitana fahalalana amin’ny endriny vaovao ity, araka ny fijerin’ireo mpampianatra eny anivon’ny anjerimanontolo. Ankoatra ny famaliana ny filana ara-potodrafitrasa dia mitana anjara toerana lehibe, indrindra ny lafiny ara-pedagojika. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana ireo mpampianatra tompon’andraikitra mamolavola ireo mpianatra, ny fanomezana ireo antontan-kevitra sy loharanom-pikarohana takiana amin’ny fanovozam-pahalalan’ny mpianatra tsirairay. Anjaran’ireto farany rahateo no manatanteraka ny ampahany betsaka amin’ny fanatontosana ny fandaharam-pianarana voarakitra ao amin’ny programa nofinidiny. Matetika ihany koa dia mifototra amin’ny fiteny frantsay ny fampianarana sy ny fifanakalozana eo amin’ny mpamolavola sy ny volavolaina ny rafitra LMD. Olana iray mila vahana ihany koa ny fiverenan’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy famatsiam-bolan’ireo sokajim-pampianarana marolafy mandrafitra ny fampianarana ambony eny amin’ny oniversite.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT