Rafitra hitantanana ny firenena

Nanome tolon-kevitrana i Rafifi Nabaoh


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Raha tena hijery lalina ny hoavin’ny firenena

isika dia maro ireo rafitra sy sehatra fototra eto Madagasikara no mila fanovàna lalina sy feno amin’ny endrika fanavaozana, fanitsiana, ary fanavaozam-pitantanana, hoy ny mpanakanto Rafifi eo anivon’ny tarika Nabaoh. Ireto avy ny rafitra sy sehatra tokony hovaina mba hahafahana mampandroso haingana ny firenena sy miala amin’ny fiankinan-doha amin’ny firenen-kafa, hoy izy. Rafitra politika sy fitondrana no voalohany. Faharoa, ny rafitra ara-toekarena. Fahatelo, rafitra fanabeazana. Fahaefatra, rafitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina. Fahadimy, rafitra ara-tsipika na «infrastructures». Fahaenina, ny fifandraisana iraisam-pirenena. Fahafito, rafitra ara-tontolo iainana sy harena voajanahary. Afaka ho voaboasina tsirairay ireo lohahevitra voatanisa ireo amin'ny manaraka. Fehiny, tsy ampy ny fanovàna ireo rafitra tsirairay ireo fa mila fifamenoana sy politika mazava, fanoloran-tenan'ny vahoaka sy ny mpitondra ary fampihavanana amin’ny tantara sy ny kolontsaina malagasy. Tsy hiala amin’ny fiankinan-doha amin'ireo firenena vahiny izay nanjanaka antsika isika raha mbola manome andraikitra amin’izy ireo ny fifehezana ny harena sy ny lalàna. Madagasikara antsika jiaby! Raisiko ny andraikitro, tanterahako ny adidiko, fa adidy tsy an'olon-dratsy, hoy hatrany izy nanome tolon-kevitrana rafitra hitantanana ny firenena manomboka eto.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT