Nofoanana ao anatin’ny taratasim-panjakana indray amin’izao fotoana izao ny boriborintany.
Miainga any amin’ny minisiteran’ny atitany, prefektiora, kaominina, ary avy hatrany dia any amin’ny fokontany ny soratra hita amin’ny taratasy omen’ny Fokontany eto Antananarivo Renivohitra. Inona no tanjon’ny fanjakana amin’izany ? Tsy homena lanja sy hailika izany amin’izao fotoana ny boriborintany eto Antananarivo ? Akaiky ny fifidianana, ary heverina hanamorana ny kajikajy maloto no anton’izao. Tsy avy amin’ny antokon’ny fitondrana rahateo ny mpitantana eto Antananarivo, ka mety tsy ho azony baikoana amin’izay tiana hanaovana azy mba hampahomby ny tetikady malotony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.